Vakiteny voalohany
Boky Jenezy (Jen. 46, 1-7. 28-30)
Tsy mampaninona ahy intsony ny ho faty, fa efa nahita tava anao aho.
Tamin’izany andro izany,
niainga i Israely nitondra izay rehetra nananany.
Nony tonga teo Bersabea izy,
dia nanolotra sorona tamin’Andriamanitr’i Isaaka rainy.
Ary Andriamanitra niteny tamin’i Israely tamin’ny fahitana nony alina, nanao hoe:
“Ry Jakôba! Ry Jakôba!”
Ka hoy ny navalin’i Israely:
“Intý aho.”
Dia hoy Andriamanitra:
“Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao.
Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe ianao any.
Izaho hiara-midina aminao any Ejipta.
Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any,
ary ny tanan’i Jôsefa no hanirina ny masonao.”
Dia niainga i Jakôba ka niala tao Bersabea;
ary ny zanak’i Israely nametraka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny vady aman-janany,
teo ambonin’ny sarety nalefan’i Faraôna hitondrana azy.
Nentiny koa ny biby fiompy sy ny fananany nohariany tany amin’ny tany Kanaana.
Dia nankany Ejipta i Jakôba mbamin’ny fianakaviany rehetra.
Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy,
sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin’ny ankohonany rehetra.
Dia nalefan’i Jakôba i Jodà, hialoha azy ho any amin’i Jôsefa,
hanomana ny hahatongavany any Gesena.
Rahefa tonga tany Gesena i Jakôba sy ny ankohonany,
dia nampamboatra ny kalesiny i Jôsefa
ka nitaingina teo hitsena an’i Israely rainy any Gesena.
Niseho taminy izy, dia niantoraka namihina ny vozony,
sy nitomany ela teo amin’ny vozony.
Ary hoy i Israely tamin’i Jôsefa:
“Tsy mampaninona ahy intsony ny ho faty amin’izao,
fa efa nahita tava anao aho, ary mbola velona ihany ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 36, 3-4. 18-19. 27-28. 39-40
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.
Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ny andron’ny madio fantatry ny Tompo;
ny lovan’ireny ho mandrakizay.
Tsy ho maina izy raha mihantona ny andro,
ary ho voky amin’ny tao-mosarena.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara,
raha tahiny te-haharitra mandrakizay.
Fa ny Tompo dia tia ny rariny,
ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy
noho izy ireo mifefy aminy!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao,
raha mitana ny tenin’ny fahamarinana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 16-23)
Tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia,
ka mba malina tahaka ny bibilava ianareo,
ary mba tsotra tahaka ny voromailala.
Mitandrema, fa hotorìn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo;
sy hokapohiny ao amin’ny sinagôgany;
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko,
mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily.
Fa raha hatolony ianareo,
dia aza manahy izay fomba fandaha-teny, na izay teny holazainareo,
fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany;
satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina,
ny ray hanolotra ny zanany,
ny zanaka hiodina amin’ny ray aman-dreniny ka hamono azy;
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako:
fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa;
fa lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.