Vakiteny voalohany
Boky Jenezy (Jen. 28, 10-22a)
Nahita tohatra iray nijoro izy, sy ny Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy ary Andriamanitra niteny.
Tamin’izany andro izany,
niala tany Bersabea i Jakôba nankany Haràna.
Nony tonga tao amin’ny fitoerana anankiray izy, dia nandry teo, fa efa maty masoandro.
Naka vato anankiray tao izy, nataony ondana,
dia nandry teo, tamin’izany fitoerana izany.
Ary nanonofy izy,
ka indro nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany
tafapaka amin’ny lanitra ny lohany;
ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
Ary niseho terý ambony ny Tompo ka nanao hoe:
“Izaho no Tompo Andriamanitr’i Abrahama, rainao,
sy Andriamanitr’i Isaaka;
io tany andrianao io dia homeko anao sy ny taranakao.
Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao;
hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo;
ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
Indro aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra,
sy hampody anao indray amin’ity tany ity.
Fa tsy handao anao Aho,
mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.”
Nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakôba, ka nanao hoe:
“Eto amin’ity toerana ity tokoa ny Tompo,
fa izaho tsy nahalala izany.”
Dia raiki-tahotra izy ka nanohy hoe:
“Endrey! mahatahotra ity fitoerana ity!
Eto tokoa ny tranon’Andriamanitra,
eto ny vavahadin’ny lanitra!”
Nifoha maraina koa izy dia nalainy ilay vato nataony ondana,
naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony.
Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io.
Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.
Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy:
“Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao,
raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako,
ka tafaverina soa aman-tsara any an-tranon’ikaky aho,
dia ny Tompo no ho Andriamanitro.
Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangambato ity.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 90, 1-2. 3-4. 14-15ab
Andriamanitra ô, Ianao no itokiako.
‘Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’ilay Avo.
Velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo.
O! ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho,
Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.
Fa ny Tompo no mpanafaka amin’ny fandrika mandavo.
Sy manakana, manohana fiadiana mety hamono.
Eo ambanin’ireo elany no anaronany anao.
Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!
Fa matoky ny fitiavako izy hany ka vonjeko.
Nahafantatra ny Anarako: tsenaiko famonjena.
Hovaliako raha miantso, hovonjeko raha mijaly.
Raha tojo fitsapana tsy havelako hanirery!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana.
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 18-26)
Maty vao izao ny zanako vavy ka tongava Ianao dia ho velona izy.
Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa,
dia indro nisy lehiben’ny sinagôga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy,
ka nanao hoe:
“Tompoko,
maty vao izao ny zanako vavy,
ka andeha re hametraka ny tananao aminy,
dia ho velona izy.”
Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.
Ary indro nisy vehivavy nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona,
nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony;
fa hoy izy anakampony:
“Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko,
dia ho sitrana aho.”
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe:
“Matokia, anaka,
ny finoanao no nahasitrana anao.”
Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.
Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa
ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba,
dia nanao hoe:
“Mialà ianareo,
fa tsy maty akory razazavavy, fa matory.”
Dia nihomehezan’ireo Izy.
Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra Izy,
ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io.
Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.