Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 23, 1-4. 19 ; 24, 1-8. 62-67)

Tia an-dRebekà tokoa i Isaaka ka nionona ny alahelony an-dreniny.

Ny andro niainan’i Sarà dia fito amby roapolo amby zato taona, izany no taona niainany.
Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana;
ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.
Dia nitsangana i Abrahama niala teo anilan’ny maty,
ka niteny tamin’ny zanak’i Heta hoe:

“Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho,
ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo,
mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.”

Izay i Abrahama vao nandevina an’i Sarà vadiny, tao an-johin’i Makpelà,
tandrifin’i Mambre dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana.
Efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Abrahama
sady nosoavin’ny Tompo tamin’ny zavatra rehetra.
Ary hoy i Abrahama tamin’ny mpanompony,
ilay tranainy indrindra tao an-tranony, nikarakara ny fananany rehetra:

“Ataovy ato ambanin’ny feko ny tananao,
hampianianako anao amin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany
fa tsy haka vady ho an’ny zanako ao amin’ny zanakavavin’ny Kananeanina,
izay iraisako monina, ianao,
fa any amin’ny tanindrazako, any amin’ny tany niaviako
no halehanao haka vady ho an’i Isaaka zanako.”

Ary hoy ny navalin’ilay mpanompony:

“Angamba tsy hety hiaraka amiko hankaty amin’ity tany ity ny vehivavy;
ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin’ny tany niavianao?”

Hoy i Abrahama taminy:

“Tandremo sao dia entinao mankany ny zanako.
Ny Tompo Andriamanitry ny lanitra izay naka ahy tao an-tranon’ny raiko,
sy tany amin’ny tany nahaterahako, izay niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe:
‘Homeko ny taranakao ity tany ity’,
dia Izy ihany koa no haniraka ny Anjeliny eo alohanao,
ka haka vady avy any ho an’ny zanako ianao.
Ary raha tsy mety hanaraka anao ny vehivavy
dia afaka amin’izao fianianana ampanaoviko izao ianao;
fa aza entina mankany ny zanako.”

Tamin’izany i Isaaka tonga avy any amin’ny fantsakan’i Kaï-Roy
ka nonina teo amin’ny tany Atsimo.
Indray hariva, raha ilay nivoaka mba hieritreritra tany an-tsaha iny izy,
ka nanopy ny masony, dia indreny misy rameva tamy.
I Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an’i Isaaka,
dia nitsambikina niala teny amin’ny rameva;
ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe:

“Iza iry lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika iry?”

Dia hoy ilay mpanompo:

“Ny tompoko iny.”

Koa dia noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany.
Nambaran’ity mpanompo tamin’i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony.
Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny,
sady nampakariny ho vady.
Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 1-2. 3-4a. 4b-5

Derao ny Tompo fa tsara.

Derao ny Tompo fa tsara:
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony.
Iza no hahalaza ny Asa maherin’ny Tompo?
Zovy no hahaventy ny fiderana Azy rehetra?

Sambatra izay mitandrina ny rariny,
sy manao ny hitsiny amin’ny fotoan-drehetra!
Tsarovy izahay, ry Tompo,
izay tia ny vahoakanao!

Vangio amin’ny famonjenao izahay:
te-hahita ny hasambaran’ny Voafidinao,
sy hifaly amin’ny fifalian’ny firenenao!
Eny, izahay te-hiravo miaraka amin’ny Lovanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo;
Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)

Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody; ary ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona.

Tamin’izany andro izany, tao Kafarnaôma,
nony niala teo amin’ilay malemy nositraniny i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio,
nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

“Andeha hanaraka Ahy ianao.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.
Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana ity Mpampianatrareo
no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Fa hoy i Jesoa nandre izany:

“Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Mandehana àry ianareo ka fantaro ny hevitr’izao teny izao:
Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona;
fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...