Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 22, 1-19)

Ny sorona nataon’i Abrahama Razambentsika.

Tamin’izany andro izany,
nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe:

“Ry Abrahama ô!”

Ary hoy izy:

“Inty aho.”

Dia hoy Andriamanitra:

“Ento ny zanakao, ilay lahitokanao, ilay tianao, dia i Isaaka,
ka mankanesa any amin’ny tany Môrià,
ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana
eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.”

Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany,
naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany,
ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.

Nony tamin’ny andro fahatelo,
nanopy ny masony i Abrahama ka mbola lavitra ihany izy
dia nahatazana ilay toerana,
dia nilaza tamin’ireo mpanompony i Abrahama nanao hoe:

“Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo,
fa izahay sy ny zaza dia mikasa ho ery hivavaka,
vao hiverina eto aminareo indray.”

Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
ka natataony an’i Isaaka zanany,
ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany,
dia niara-nandeha izy mianaka.
Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:

“Dada ô!”

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho, anaka.”

Dia hoy i Isaaka:

“Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto,
fa izay zanak’ondry atao sorona dorana kosa no aiza?”

Hoy ny navalin’i Abrahama:

“Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry
hatao sorona dorana, anaka.”

Dia niara-nandeha izy mianaka.

Nony tonga teo amin’ny toerana natoron’Andriamanitra azy izy,
dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely;
nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany,
ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.
Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.
Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe:

“Ry Abrahama! ry Abrahama ô!”

Ka hoy ny navaliny:

“Inty aho.”

Dia hoy ny Anjely:

“Aza manainga ny tananao hamely ny zaza,
ary aza maninomaninona azy akory,
fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao,
sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahitokanao ho Ahy.”

Ary nanopy maso i Abrahama ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony,
voasingotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony;
dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy,
ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io toerana io.
Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe:

“Ho hita ihany izany any an-tendrombohitry ny Tompo.”

Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra,
ka nanao hoe:

“Efa nianiana tamin’ny teniko Aho, hoy ny Tompo,
fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahitokanao, ho Ahy,
dia hanisy soa anao Aho,
hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra
sy ny fasika eny amoron-dranomasina,
ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
satria nanaiky ny teniko ianao.”

Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama
ka niainga izy ireo niara-nandeha nankany Bersabea.
Ary nonina tao Bersabea i Abrahama.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 114, 1-2. 3-4. 5-6. 8-9

Koa hizotra eo anatrehan’ny Tompo aho, any amin’ny tanin’ny velona.

Izaho tia ny Tompo,
noho Izy mandre ny feoko mihanta:
itongilanany sofina aho
amin’ny andro iantsoako Azy!

Efa voagejan’ny rohin’ny fahafatesana aho,
efa niantontàn’ny haraton’ny Seoly,
tojo fahoriana sy ahiahy,
ka niantso ny Anaran’ny Tompo.

Ny Tompo antra sy marina;
ny Andriamanitray mahay mangoraka;
ny Tompo Mpiaro ny olon-tsotra:
osa aho ka novonjeny.

Eny, Ianao no manafaka
ny aiko amin’ny fahafatesana,
ny masoko amin’ny tomany,
ny tongotro amin’izay manafintohina!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ry Tompo,
ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio ( Mt. 9, 1-8)


Nankalaza an’Andriamanitra ny vahoaka noho Izy nanome fahefana ny olona toy izany.

Tamin’izany andro izany,
niondrana tamin’ny sambo kely i Jesoa,
dia nita ka tonga tao an-tanànany.
Dia indro nisy lehilahy anankiray malemy
nandry tamin’ny fandriany nentin’ny olona teo aminy.
Nony nahita ny finoan’ireo i Jesoa,
dia hoy Izy tamin’ilay malemy:

“Matokia anaka,
fa voavela ny helokao.”

Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe:

“Miteny ratsy an’Andriamanitra ilay io.”

Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe:

“Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa, ny manao hoe:
‘Voavela ny helokao’,
sa ny manao hoe:
‘Mitsangàna, ka mandehana?’
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona
manam-pahefana ety an-tany hamela heloka”,

dia hoy Izy tamin’ilay malemy:

“Mitsangàna, ento ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”

Dia nitsangana izy ka nody tany an-tranony.
Nony nahita izany ny vahoaka,
dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra
noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...