Vakiteny voalohany
Boky Jenezy (Jen. 18, 1-15)
Moa misy zavatra mahatalanjona tsy efan’Andriamanitra va na inona na inona? Hiverina aty aminao aho ary hanana zazalahy i Sarà.
Tamin’izany andro izany, dia niseho tamin’i Abrahama teo amin’ny terebintan’i Mambre ny Tompo,
raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy,
tamin’ilay nigaingaina iny ny andro.
Nanopy ny masony ary nijery izy,
ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy.
Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran’ny lainy, nitsena azy,
ary rahefa niankohoka tamin’ny tany izy, dia nanao hoe:
“Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho,
aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
fa aoka hangalana rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo.
Mialà sasatra eo am-pototr’ity hazo ity ianareo;
dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo,
fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.”
Dia hoy ny navalin’ireo:
“Ataovy àry, araka izay voalazanao.”
Dia niverina faingana i Abrahama nankeo an-day amin’i Sarà ka nanao hoe:
“Faingàna ianao,
mangalà lafarina intelon’ny famarana,
ditio ka ataovy mofo.”
Avy eo i Abrahama dia nandeha faingana ho any amin’ny andian’omby,
dia naka zanak’omby anankiray tanora sy tsara izy,
ary nomeny ny mpanompony izay nahandro faingana;
dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin’ilay zanak’omby efa nandrahoina izy,
ary narosony izany teo anoloan’izy ireo,
ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo.
Ary nihinana izy ireo.
Rahefa izany dia hoy ireo taminy:
“Aiza i Sarà vadinao?”
Hoy ny navaliny:
“Ao an-day ao izy.”
Ary hoy izy:
“Hiverina aty aminao indray aho, raha avin-taona toy izao,
ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.”
Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany.
Ary i Abrahama sy i Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana;
ary i Sarà dia efa nitsaha-potoana,
ka nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe:
“Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa?
ary ny tompoko koa itsy efa antitra!”
Hoy ny Tompo tamin’i Abrahama:
“Nahoana i Sarà no nihomehy nanao hoe:
‘Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hiteraka indray?’
Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’ny Tompo va na inona na inona?
Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho;
ary i Sarà dia hahazo zazalahy.”
Nandà i Sarà nanao hoe:
“Tsy nihomehy aho tsy akory”;
fa natahotra izy.
Hoy izy:
“Tsia, fa nihomehy tokoa ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo: Lk. 1, 46-47. 48-49. 50 sy 53. 54-55
Tsy hadinon’ny Tompo ny famindram-pony.
Ny foko midera ny Tompontsika,
ny saiko mifaly amin’Andriamanitra.
Noho Izy Mpamonjy nitsinjo ahy,
ilay mpanompovaviny tsinontsinona.
Fa indro manomboka ankehitriny,
hantsoin’ny taranaka: “Sambatra” aho.
Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
ilay hoe: “Ny Masina no Anarany.”
Ilay mandrakizay ny indrafony
amin’ny olon-drehetra matahotra Azy.
Ilay manototra soa an’ireo noana,
fa mampody maina an’ireo mpanana.
Mpanarina an’i Israely olony
satria mahatsiaro ny indrafony
nampanantenainy ny Razantsika
ho an’i Abrahama sy izay taranany.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao:
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 5-17)
Maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana no hiara-mihinana amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.
Tamin’izany andro izany,
rahefa niditra tao Kafarnaôma Jesoa,
dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy, nanao hoe:
“Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko,
sady mijaly mafy dia mafy.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Ho avy hanasitrana azy Aho.”
Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe:
“Tompoko, tsy mba mendrika ny hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho,
fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko.
Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa,
ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: ‘Andeha ianao’, dia mandeha izy;
ary amin’ny anankiray hoe: ‘Avia ianao’, dia avy Izy;
ary ny ankiziko: ‘Ataovy izao’, dia manao izy.”
Gaga i Jesoa nony nandre izany,
ka hoy Izy tamin’izay nanaraka Azy:
“Lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely.
Ary izany no ilazako aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy avy any andrefana
no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be
miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba any amin’ny fanjakan’ny lanitra,
fa ny zanaky ny fanjakana kosa,
dia hariana any amin’ny maizina any ivelany;
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.”
Ary hoy i Jesoa tamin’ilay kapiteny:
“Mandehana,
ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao.”
Dia sitrana tamin’izany ora izany ilay ankiziny.
Ary nony tonga tao an-tranon’i Piera i Jesoa,
dia nahita ny rafozambavin’i Piera nandry fa nararin’ny tazo,
dia notendreny ny tanany, ka niala ny tazo,
ary nitsangana nisarivý azy ireo izy.
Ary nony hariva ny andro,
dia maro ny azon’ny demony nentina teo aminy,
ka teny indraim-bava no nandroahany ny fanahy ratsy,
ary nositraniny avokoa izay rehetra narary,
mba ho tanteraka ilay tenin’i Izaia mpaminany hoe:
‘Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika’.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.