Vakiteny voalohany

Bokin’ny Jenezy (Jen. 17, 1-2. 9-10. 15-22)

Hanao fanekena mandrakizay aminao sy amin’ny taranakao aho mba ho vahoakako ianareo.

Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrahama
dia niseho taminy ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Izaho Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra;
mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao.”

Hoy Andriamanitra koa taminy:

“Ny aminao kosa hitandrina ny fanekeko ianao,
dia ianao sy ny taranakao amin’ny taona mifandimby.
Ka ny fanekena hotandremanareo,
izay ifanekeko Izaho sy ianareo sy amin’ny taranaka handimby anao dia izao:
Hoforàna avokoa ny lehilahy eo aminareo.”

Hoy koa Andriamanitra:

“Ny vadinao dia Sarà (izany hoe: Andriambavy) no anarany.
Hasiako soa izy, ary izy koa hampiterahako zazalahy aminao.
Hasiako soa izy, ka ho tonga firenena maro ary hisy mpanjakam-pirenena avy aminy.”

Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe:

“Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray!
Ary i Sarà vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!”

Dia hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra:

“Enga anie ka ho velona eo anatrehanao i Ismaely!”

Kanefa hoy Andriamanitra:

“Tsia, fa hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao:
hataonao Isaaka no anarany;
ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho,
dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.
Ny amin’i Ismaely dia efa nihaino anao Aho,
ka efa nitso-drano azy Aho;
hataoko maro anaka izy, ary hampitomboiko be indrindra.
Hiteraka andriana roa ambin’ny folo izy
hotongaviko ho firenena lehibe.
Ny fanekeko anefa dia haoriko amin’i Isaaka,
izay haterak’i Sarà vadinao, ho anao,
raha avin-taona toy izao.”

Nony tapi-teny tamin’i Abrahama Andriamanitra
dia niakatra Izy niala teo aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 127, 1-2. 3. 4-5

Hivimbina antsika avy any Siôna ny Tompo.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra amin’ny lalany!
Mahazo voka-tsoa tokoa amin’ny asanao ianao:
ka sambatra sy tretrika.

Ny vadinao:
foto-boaloboka mahavokatra ao anivon-tranonao!
Ny zanakao:
solofon’ôliva manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Eny, hitahy anao avy ao Siôna anie ny Tompo,
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manantena ny Tompo ny fanahiko,
miandry ny teniny aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 1-4)

Raha mety Ianao dia mahay manadio ahy.

Tamin’izany andro izany,
raha nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa,
dia narahin’ny vahoaka betsaka.
Ary indro nisy lehilahy boka anankiray nanatona,
dia nitsaoka Azy ka nanao hoe:

“Tompo ô, raha mety Ianao,
dia mahay manadio ahy.”

Ary i Jesoa naninjitra ny tanany,
dia nanendry azy ka nanao hoe:

“Mety Aho, madiova ianao.”

Dia afaka niaraka tamin’izay ny habokany.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Tandremo, aza milaza na amin’iza na amin’iza,
fa mandehana miseho amin’ny mpisorona,
ary atolory ny fanatitra didian’i Môizy haterina
mba ho vavolombelon’ny fahasitrananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...