Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen. 12, 1-9)

Niainga i Abrahama araka ny tenin’ny Tompo taminy.

Tamin’izany andro izany,
ny Tompo niteny tamin’i Abrahama nanao hoe:

“Mialà amin’ny taninao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny tranon-drainao
mba ho any amin’ny tany hasehoko anao.
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao,
ary hampanan-daza ny anaranao.
Ho tonga fanasoavana ianao;
ny manasoa anao hohasoaviko,
ny manozona anao hozoniko,
ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.”

Dia niainga i Abrahama araka ny tenin’ny Tompo taminy,
ary niara-nandeha taminy koa i Lôta.
Efa dimy amby fitopolo taona i Abrahama fony izy niala tany Haràna.
Nentiny i Sarà vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny
ary ny harena rehetra nananany mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna,
dia niainga ho any amin’ny tany Kanaàna izy ireo,
ka tonga tany amin’ny tany Kanaàna izy.
Dia namaky ny tany i Abrahama,
hatrany amin’ny fitoerana atao hoe Sikema,
hatrany amin’ny terebintan’i Môre.
Ny Kananeana tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany.
Niseho tamin’i Abrahama ny Tompo ka nanao hoe:

“Homeko ny taranakao ity tany ity.”

Ary teo i Abrahama nanorina ôtely ho an’ny Tompo izay niseho taminy.
Nifindra avy eo izy ho any amin’ny tendrombohitra ao atsinanan’i Betela,
dia niorin-day izy,
ka i Betela teo andrefany ary i Hay teo atsinanany.
Ary nanorina ôtely ho an’ny Tompo izy teo,
ka niantso ny Anaran’ny Tompo.
Dia nandroso ihany i Abrahama nifindrafindra lasy nianatsimo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 12-13. 18-19. 20 sy 22

Sambatra ny firenena nofidin’ny Tompo ho lovany.

Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany...
Any an-danitra ny Tompo mitazana:
hitany avokoa ny zanak’olombelona.

Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena!

Ny fanahinay manantena ny Tompo:
Mpitahy anay Izy sy ampinganay!
Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay Anao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo,
ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 1-5)

Esory aloha ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza mitsara mba tsy hotsaraina ianareo;
fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo,
ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
Ary nahoana ianao no mahita ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao,
nefa tsy mahita ny sakamandimby izay eo amin’ny masonao?
Ary ahoana no ilazanao amin’ny rahalahinao hoe:
‘Avelao hesoriko ny tapak’ahitra amin’ny masonao’,
nefa indro fa misy sakamandimby eo amin’ny anao?
Ry mpihatsaravelatsihy,
esory aloha ny sakamandimby izay ao amin’ny masonao,
ary rahefa izany dia ho hitanao tsara ny hanesoranao
ny tapak’ahitra ao amin’ny mason’ny rahalahinao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...