Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 11, 1-11)

Nitory ny Evanjelin’Andriamanitra maimaim-poana taminareo aho.

Ry kristianina havana,
enga anie ka mba handefitra hadalana kely amiko ianareo!
Eny, mahay mandefitra ahy tokoa ianareo.
Manana fahasaropiaron’Andriamanitra ny aminareo aho,
satria natolotro ho fofombadin’ny lehilahy anankiray ianareo, dia i Kristy,
mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio.
Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy,
toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.
Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay,
na ianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo,
na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo,
dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy.
Fa angaha misy mahalatsa-danja ahy noho ireo Apôstôly ambony indrindra ireo?
Na tsy ampy fahaiza-mandahatra aza aho, dia ampy fahalalana tokoa,
araka ny nasehonay miharihary taminareo, tamin’ny zavatra rehetra.
Sa diso aho, fa nanetry ny tenako mba hanandratako anareo,
ka nitory maimaim-poana ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo?
Ny an’ny Eglizy sasany no nalaiko, fa nandray fanampiana taminy aho,
mba hoentiko miasa aty aminareo.
Nony nitoetra tany aminareo aho, na dia tsy nanana aza,
dia tsy mba namaky tratra olona, fa ny rahalahy avy any Masedônia no nanome izay nilaiko.
Notandremako mihitsy izay tsy hahavaky tratra anareo,
ary mbola hotandremako koa aza izany.
Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy,
marina raha ho azon-javatra esorina amiko izany reharehako eran’i Akaïa manontolo izany.
Nahoana àry?
Noho ny tsy fitiavako anareo ve?
Andriamanitra no mahalala.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 1-2. 3-4. 7-8

Rariny sy hitsiny ny asan’ny tananao, ry Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivorian’ny olo-marina sy am-piangonam-be!
Lehibe ny Asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.

Voninahitra sy fiamboniana ny vitan’ny Tompo;
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.

Rariny sy hitsiny ny Asan’ny Tanany;
mahatoky avokoa ny lahany:
mafy orina mandrakizay alaovalo,
vita amim-pahamarinana sy hitsiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

Koa mivavaha toy izao ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily,
fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.
Koa aza manahaka azy ianareo,
fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo,
fantatry ny Rainareo izay ilainareo.
Koa mivavaha toa izao ianareo:

Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay;
avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay,
aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.

Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo,
dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa;
fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo,
dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...