Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 1, 18-22)

Tsy nisy “eny” sy “tsia” ao amin’i Jesoa, fa “eny” ihany no tao aminy.

Ry kristianina havana,
araka ny maha-marina fa mahatoky Andriamanitra
no tsy maha-“eny” sy “tsia” ny teninay taminareo.
Satria ny Zanak’Andriamanitra dia i Kristy Jesoa
izay notorìnay sy i Silvano ary i Timôte taminareo
tsy nisy “eny” sy “tsia”, fa “eny” ihany no tao aminy.
Fa na firy na firy fampanantenana avy amin’Andriamanitra,
dia tao amin’i Jesoa ihany ny “eny”,
ka dia amin’ny alalany sy amin’ny asanay koa no anaovana “Amen”
mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Ary tsy iza no mampaharitra anay mbaminareo ao amin’i Kristy,
fa Andriamanitra izay naha-voahosotra antsika,
sy nanisy tombo-kase antsika koa,
ary nanome ny Fanahy ho antoka ao am-pontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 129-130. 131-132. 133 sy 135

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo.

Tantely mandriaka ny Fanambarànao:
Izany no itandreman’ny fanahiko azy!
Vavahady mazava ny Teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!

Misokatra ny vavako; miemponempona aho;
ny Baikonao no mahaliana ahy!
Todiho aho ka iantrao
araka ny fanaonao amin’izay tia ny Anaranao!

Araka ny Teninao, hamafiso ny famindrako;
aoka tsy hisy faharatsiana hizaka ahy!
Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao;
ampianaro ahy ny Fitsaranao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao,
ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)

Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ianareo no fanasin’ny tany;
fa raha ny fanasina no tonga matsatso,
hatao ahoana no fanasina azy indray?
Tsy ho azo atao inona intsony izy,
fa hariana any alatrano hohitsahin’ny olona.
Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao:
tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra,
ary tsy misy olona mampirehitra jiro,
ka mametraka azy ao ambanin’ny vata famarana,
fa eo ambonin’ny fanaovan-jiro no apetrany
mba hanazava izay rehetra ao an-trano.
Aoka hazava eo imason’ny olona tahaka izany koa ny fahazavanareo
mba hahitany ny asa soa ataonareo,
ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...