Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Ekl 42, 15-25)

Ny asan’ny Tompo feno ny voninahiny.

Hotsahiviko izao ny asan’ny Tompo,
ary hotorìko izay hitako.
Ny tenin’ny Tompo no nahavitana ny asany rehetra.
Ny masoandro izay manazava azy ireo dia mibanjina azy rehetra;
asan’ny Tompo, feno ny voninahiny izy.
Ny olo-masiny dia tsy nataon’ny Tompo
mahavatra ny mitory ny zava-mahagaga rehetra vitany,
izay naorin’ny Tompo Tsitoha mafy,
mba ho mafy orina izao tontolo izao amin’ny voninahiny.
Tsapainy ny halalin’ny ranomasina sy ny fon’ny olombelona;
ary fantany ny heviny saro-pantarina indrindra.
Fa manana ny fahalalana rehetra ny Tompo;
ary hitany ny famantaram-potoana.
Manambara ny lasa sy ny ho avy Izy,
ary mampiharihary ny dian’ny zava-miafina.
Tsy misy hevitra miafina aminy, tsy misy teny takona Azy.
Noravahany ny asa lehiben’ny fahendreny:
talohan’ny taona rehetra Izy,
ary haharitra mandrakizay;
tsy nampiana na inona na inona ny tenany,
tsy nanesorana na inona na inona
ary tsy nila mpanolo-tsaina na iza na iza Izy.
Endrey, ny hatsaran-tarehin’ny asany rehetra!
ary izay banjinin’ny olona amin’ireny anefa
dia kilalaon’afo fotsiny.
Velona daholo ny zavatra rehetra ary maharitra mandrakizay,
ho amin’izay rehetra ilàna azy;
ary manaiky ny Mpahary ny zavatra rehetra.
Mikambana tsiroaroa avy izy, ny iray tandrifin’ny iray,
ary tsy nisy nataony mankamin’ny faharavana.
Fa ny anankiray dia antoky ny fahasambaran’ny anankiray:
iza no mety ho afa-po amin’ny fijerena ny Voninahitry ny Tompo?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 32, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9.

Ny lanitra no vita: ny tenin’ny Tompo.

Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo.
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno!

Fa mahitsy ny tenin’ny Tompo;
ara-drariny ny asany rehetra;
ny fahamarinana sy ny hitsiny no tiany;
ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany!

Ny lanitra no vita: ny tenin’ny Tompo;
ny tafiny rehetra: ny fofon’ain’ny vavany.
Ny ranon’ny ranomasina nangoniny anaty siny;
ny hantsam-be nataony anaty fahi-drano.

Ry tany tontolo matahora ny Tompo;
mangovita ny mponina amin’izao rehetra izao:
fa teniny dia vita;
didiny, dia tafajoro!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo,
izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 46-52)

Rabony ô, aoka mba hahiratra aho.

Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao,
dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time.
Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay,
dia rafitra niantso izy nanao hoe:

“Ry Jesoa Zanak’i Davida ô,
mamindrà fo amiko.”

Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy,
fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe:

“Ry Zanak’i Davida ô,
mamindra fo amiko.”

Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy.
Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe

“Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao.”

Dia nariany ny lambany,
ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Inona no tianao hataoko aminao?”

Dia hoy ilay jamba:

“Rabony ô,
aoka mba hahiratra aho.”

Ary hoy i Jesoa:

“Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy,
ka nanaraka Azy teny an-dalana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...