Vakiteny voalohany

Bokin’i Siràka (Ekl 35, 1-15)

Manolotra sorom-pihavanana ireo miraikitra amin’ny didy.

Ny mitandrina ny lalàna, dia manao fanatitra maro;
ary ny miraikitra amin’ny didy, dia manolotra sorom-pihavanana.
Ny misaotra dia manao fanatitra lafarinina tsara indrindra;
ary ny manao famindram-po, dia manatitra sorona fiderana.
Ny ankasitrahan’ny Tompo, dia ny manalavitra ny ratsy;
ny mahazo famelan-keloka aminy, dia ny mandositra ny tsy marina.
Kanefa aza miseho foan-tanana eo anatrehan’ny Tompo ianao,
fa noho ny didy no tsy maintsy hanaovana ireny fanatitra ireny.
Manatavy ny ôtely ny fanatitra marina;
ary miakatra eo anatrehan’ny Tompo ny fofony manitra.
Mahafinaritra ny soron’ny olo-marina;
ary tsy ho very tadidy ny fahatsiarovana an’izany.
Manomeza voninahitra ny Tompo, amin’ny fo mahafoy be;
ary aza anesorana akory ny voaloham-bokatry ny tananao.
Amin’ny fanatitra rehetra, aoka ho mirana endrika ianao,
ary atokany amim-piravoravoana ny fahafolon-karenao.
Manomeza voninahitra ny Avo Indrindra araka izay nomeny anao,
amin’ny fo mahafoy be, araka izay azon’ny tananao.
Fa manome valy ny Tompo, ka hamerina impito hoatra ny nataonao.
Aza mitady hanangoly Azy amin’ny fanatitra,
fa tsy horaisiny akory izany,
ary aza miantehitra amin’izay fanatitra tsy marina;
fa mpitsara ny Tompo,
ary tsy mijery izay filaharam-piambonian’ny olona akory Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 49, 5-6. 7-8. 14 sy 23.

Hohetsahin’Andriamanitra amin’ny vonjiny izay mandeha amin’ny marina.

Vorio eto amiko ny mpivavaka amiko
izay nifanaiky tamiko tamin-tsorona!
Ny fahamarinany ambaran’ny lanitra.
Eny, Andriamanitra no ilay Mpitsara!

Mandrenesa, ry oloko, fa hiteny Aho;
fa hampamoaka anao Aho, ry Israely:
dia Izaho Andriamanitra,
ilay Andriamanitrao!
Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao:
na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!

Ny saotra, atao fanatitra ho an’Andriamanitra;
ny voadinao, tovina ho an’ny Avo indrindra.
Izay misorona saotra no hasaiko
ka hohetsahiko amin’ny vonjiko!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra
mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 28-31)

Hahazo zato heny ianareo amin’ity fiainana ity, na dia anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.

Tamin’izany andro izany,
i Piera nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra
ka nanaraka Anao.”

Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy:

“Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano,
na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany
noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,
ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity,
dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany,
na dia ao anatin’ny fanenjehana aza,
ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy.
Fa maro amin’izay farany no ho voalohany,
ary amin’izay voalohany no ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...