Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 8, 6-13

Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa Izy.

Ry kristianina havana,
ankehitriny dia voatendry
hanao fandraharahana ambony lavitra i Kristy Mpisorombentsika
fa Mpanalalana amin’ny fanekena tsaratsara kokoa
sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa.
Eny tokoa,
satria raha tsy nisy tsininy ny fanekena voalohany,
dia tsy misy antony hanoloan’ny faharoa azy akory.
Fa mova tsy ny manome tsiny azy rehetra Andriamanitra
no miteny toy izao:

“Indro, hoy ny Tompo,
ho avy ny andro hanaovako fanekena vaovao
amin’ny fianakavian’i Israely sy ny fianakavian’i Joda;
tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin’ny razan’izy ireo,
tamin’ny andro nitantanako sy nitondrako azy
nivoaka avy tany Ejipta,
izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy”,

hoy ny Tompo;

“fa fanekena toy izao kosa no hataoko
amin’ny fianakavian’i Israely,
rahefa afaka izany andro izany”,

hoy ny Tompo:

“Halatsako ao an-tsainy ny Lalàko,
ary hosoratako ao am-pony;
ka Izaho ho Andriamanitr’izy ireo,
ary izy kosa ho vahoakako.
Dia tsy hisy hampianatra ny namany intsony izy,
na hanao amin’ny rahalahiny hoe:
Mahalalà an’Andriamanitra.
Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra,
hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
Satria havelako ny hadisoany,
ary tsy ho tsaroako ny fahotany.”

Manambara ny voalohany ho efa antitra Izy,
amin’ny filazana ny faharoa hoe vaovao;
ary izay hoe tranainy sy efa antitra
dia efa madiva ho levona mihitsy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 8 sy 10. 11-12. 13-14

Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana.

Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao!
Omeo anay ny famonjenao.
Eny, akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny,
ka honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.

Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana;
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana:
mitrebona an-tany ny fahamarinana,
mitranga avy eny an-danitra ny rariny.

Ny Tompo manome orana amim-peo avo,
ka ny tanintsika manome ny vokany.
Ny rariny mizotra eo anoloany;
ny fiadanana eo amin’ny soritry ny diany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo;
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 3, 13-19

Niantso izay tiany hankeo aminy Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niakatra tany amin’ny tendrombohitra anankiray,
ka niantso izay tiany hankeo aminy,
dia nankeo aminy ireo.
Ary nanendry roa ambin’ny folo lahy Izy
hiara-kitoetra aminy sy hirahiny hitory teny,
sady hanam-pahefana hanasitrana ny aretina
sy handroaka ny demony.
Ary i Simôna nomeny fanampin’anarana hoe Piera;
ary i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba,
izay nomeny fanampin’anarana hoe Bôanerjesy,
izany hoe zana-baratra;
ary i Andre, sy i Filipo, sy i Bartelemy,
sy i Matio sy i Tôma, sy i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Tade, sy i Simôna Zelôty,
ary i Jôdasy Iskariota ilay namadika Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...