Vakiteny voalohany
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 4, 1-5. 11
Aoka isika hazoto miditra amin’ny fialan-tsasatry ny Tompo.
Ry kristianina havana,
aoka hatahotra isika,
dieny mbola manana ny teny fampanantenana
fa hiditra amin’ny fialàny sasatra,
mba tsy hisy tsy hahatratra izany aminareo
na dia iray aza.
Fa isika koa
dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny,
saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny
ka tsy nahasoa azy akory.
Fa isika izay mino kosa
dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra,
araka ny voalazany hoe:
“Nianiana noho ny hatezerako aho
fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.”
Toy izany ny teniny, na dia efa vita tapitra
hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao aza ny asany.
Fa hoy Izy hoe,
amin’ny andininy anankiray any ho any
ny amin’ny andro fahafito:
“Ary Andriamanitra
niala sasatra tamin’ny asany rehetra
tamin’ny andro fahafito.”
Ary eto indray, hoy Izy:
“Tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.”
Koa aoka isika hazoto miditra
amin’izany fialan-tsasatra izany,
mba tsy hisy ho latsaka amin’ny tsy finoana
tahaka ireny koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 77, 3-4d. 6d-7. 9
Tsy hohadinoinareo ny asan’ny Tompo.
Izay henonay ka fantatray,
fa nolazain’ireo razana anay,
dia ny fiderana ny Tompo sy ny heriny
mbamin’ny zava-mahagaga izay vitany.
Ireo zaza vao ho teraka hitantara amin-janany koa,
ka ireto hatoky an’Andriamanitra,
tsy hanadino ny asan’ilay Mahery,
fa hitandrina kosa ny didiny.
Tsy mba hanahaka ireo razany,
izay taranaka mpikomy sy mpiodina,
tsy niraiki-tsaina tamin’Andriamanitra.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 2, 1-12
Manam-pahefana ety an-tany hanafaka ny fahotana ny Zanak’Olona.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma.
Nony re fa hoe tao an-trano Izy,
dia nivory betsaka dia betsaka ny olona,
ka tsy nisy hitoerana intsony
na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza;
dia nitory teny taminy Izy.
Tamin’izay dia nisy nanatona Azy
nitondra lehilahy malemy anankiray,
izay nolanjain’olona efa-dahy.
Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo
noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany;
nony voasokatra,
dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy.
Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo,
dia nanao tamin’ilay malemy hoe:
“Anaka, voavela ny helokao.”
Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo,
ka nanao anakampo hoe:
“Ahoana no itenenan’ilay ity toy izany?
Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy.
Iza no mahavela fahotana
afa-tsy Andriamanitra irery ihany?”
Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay
fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo
ka hoy Izy taminy:
“Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa,
ny manao amin’itý malemy ity hoe:
Voavela ny helokao, sa ny manao hoe:
Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana?
Ary mba ho fantatrareo
fa ny Zanak’Olona manam-pahefana ety an-tany
hanafaka ny fahotana,
dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy):
Mitsangàna, batao ny fandrianao,
ary modia any an-tranonao.”
Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy
ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra;
hany ka talanjona izy rehetra
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:
“Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.