Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio 2, 14-18

Izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra mba ho tonga be famindram-po Izy.

Koa satria mana-nofo aman-dra ny zaza,
dia mba naka izany koa i Jesoa,
handringanany amin’ny fahafatesany
ilay manana ny fanjakan’ny demony,
sy hanafahany an’izay rehetra niharan’ny fanandevozana
nandritra ny andro rehetra niainany
noho ny tahotra ny fahafatesana.
Na aiza na aiza tsy mba Anjely no vonjeny,
fa ny taranak’i Abrahama no vonjeny.
Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy
mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra,
mba ho tonga be famindram-po Izy
sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra,
hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;
fa noho ny tenany nalaim-panahy sy nijaly indrindra
no ahavonjeny izay alaim-panahy koa.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7. 8-9

Tsaroan’ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Derao ny Tompo! Antsoy ny Anarany!
Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony!
Hirao Izy! Antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga!

Ireharehao ny Anarany masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!
Katsaho ny Tompo sy ny heriny!
Tadiavo lalandava ny tavany.

Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra:
manerana ny tany tontolo ny fitsarany.

Tsaroany mandrakizay ny fanekeny:
dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo:
ilay niantohany tamin’i Abrahama,
ilay nianianany tamin’i Isaaka.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao.
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka 1, 29-39

Nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany
raha nivoaka avy tao amin’ny sinagôga,
dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre.
Ary ny rafozam-bavin’i Simôna
nandry teo am-pandriana fa nanavy,
ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay.
Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy,
dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy.
Nony hariva efa maty masoandro,
dia nentina teo aminy ny marary rehetra
sy ny azon’ny demony,
ary ny tao an-tanàna rehetra
nitangorona teo am-baravarana avokoa.
Dia nanasitrana olona maro
nararin’ny aretina samihafa Izy,
sady nandroaka demony maro,
fa tsy navelany hiteny ny demony,
satria nahafantatra Azy.
Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy,
dia nivoaka nankany amin’ny tany mangina,
ka nivavaka tany.
Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany
ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe:

“Tadiavin’ny olona rehetra Ianao.”

Fa izao no navaliny:

“Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky,
mba hitoriako any koa; fa izany no nivoahako.”

Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona
sy eran’ny Galilea rehetra,
sady nandroaka ny demony.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...