Vakiteny voalohany
Boky Jenezy (Jen. 15, 1-6; 21, 1-3)
Ho tahaka ny isan’ny kintana ny taranakao.
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tamin’i Abrahama tamin’ny fahitana,
ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Aza matahotra, ry Abrahama,
fa Izaho no ampinganao,
ary ho lehibe indrindra ny valisoanao”.
Fa hoy ny navalin’i Abrahama:
“Andriamanitra Tompo ô,
inona no homenao ahy?
Fa izaho dia lasa tsy hiteraka,
ka ny mpandova ny tranoko dia i Eliezara avy any Damasy”.
Ary hoy i Abrahama:
“Tsy nomenao fara handimby aho,
ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako
no ho mpandova ahy”.
Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Tsy izy io no mpandova anao,
fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao”.
Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe:
“Atopazo hijery ny lanitra ny masonao,
ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao”;
ary hoy izy taminy:
“Ho tahaka izay ny taranakao”.
Ary nino ny Tompo i Abrahama,
ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany...
Namangy an’i Sarà ny Tompo,
araka ilay efa voalazany,
notanterahin’ny Tompo tamin’i Sarà ny efa nampanantenainy.
Nanana anaka i Sarà
ka tera-dahy tamin’i Abrahama tamin’ny fahanterany,
nony tonga ny fotoana nolazain’Andriamanitra azy.
Ary ny anaran’ilay zaza teraka taminy,
naterak’i Sarà taminy dia nataon’i Abrahama hoe Isaaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 104
Derao ny Tompo, ry taranak’i Abrahama mpanompony.
Derao ny Tompo, antsao ny Anarany;
lazao ny vahoaka ny asany ambony.
Hirao Izy, antsao:
vetsoy ny asany mahavariana.
Ireharehao ny Anarany masina,
ny fon’ny mpitady Azy miravoa,
katsaho ny Tompo sy ny heriny,
tadiavo lalandava ny Tavany.
Tsarovy ny asany mahatalanjona,
ny fahagagany, ny fitsaràn’ny vavany,
ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny.
Tsarovy mandrakizay ny fanekeny,
teny nomeny taranaka arivo,
niantohany tamin’i Abrahama,
nianiànany tamin’i Isaaka.
Vakiteny faharoa
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (He 11, 8. 11-12. 17-19)
Nino i Abrahama, ka nahazo taranaka mifanisa amin’ny kintana.
Ry kristianina havana,
ny finoana no naneken’i Abrahama ny fiantsoan’Andriamanitra azy,
handeha ho any amin’ny tany izay horaisiny ho lova,
ka niainga izy nefa tsy fantany akory izay halehany...
Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka,
na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy,
satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena.
Koa dia taranaka maro toy ny kintana eny an-danitra,
sy tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina
no avy amin’ny olona anankiray izay efa toy ny maty...
Ny finoana no nanoloran’i Abrahama an’i Isaaka ho sorona,
raha nozahan-toetra izy.
Dia izy izay nandray ny teny fampanantenana, sy nilazana hoe:
Avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranakao;
eny, natolony io zanany lahy tokana io;
satria ninoany fa na dia maty aza izy,
dia hain’Andriamanitra atsangana,
ka dia noraisiny indray ny zanany,
ary tandindon-javatra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia, aleloia.
Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)
Nitombo ny Zaza sady feno fahendrena.
Rehefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ny ray aman-dreniny i Jesoa ho any Jerosalema,
mba hatolotra ny Tompo,
araka ny voasoratra ao amin’ny Lalàn’ny Tompo hoe:
“Ny lahy voalohan-teraka rehetra
dia hatao hoe masina ho an’ny Tompo”,
ary mba hanatitra fanatitra domohina roa,
na zana-boromailala roa,
araka ny voalaza ao amin’ny Lalàn’ny Tompo.
Ary indro, nisy Iehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema;
ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany,
ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely
ary tao aminy ny Fanahy Masina,
sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy
fa tsy hahita fahafatesana mandra-pahitany an’i Kristin’ny Tompo.
Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly,
ka nony nitondra an’i Jesoa Zazakely ny rainy aman-dreniny
hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,
dia nitrotro Azy izy ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:
“Ankehitriny, ry Tompo,
vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao,
fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,
izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,
dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao”.
Dia gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza
noho ny zavatra nolazaina ny aminy.
Ary nitsodrano azy ireo i Simeôna
ka nilaza tamin’i Maria Renin’ny Zaza hoe:
“Indro, ity Zaza ity,
no voatendry ho fandavoana
sy ho fananganana ny maro amin’i Israely
ary ho famantarana hotoherina
— ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra —
mba hiseho ny hevitry ny fo maro.”
Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray,
dia i Ana, zanak’i Fanoela fokon’i Asera;
efa antitra dia antitra izy,
dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy,
ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona,
sady tsy niala tao amin’ny Tempoly,
fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina
tamin’ny fifadiankanina sy fivavahana.
Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany,
ka nidera an’Andriamanitra,
ary nilazalaza ny Zaza
tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.
Ary nony tanterak’izy ireo
ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo,
dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza
sady feno fahendrena,
ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia, aleloia.
Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 22. 39-40)
Nitombo ny Zaza sady feno fahendrena.
Rehefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ny ray aman-dreniny i Jesoa ho any Jerosalema,
mba hatolotra ny Tompo.
Ary nony tanterak’izy ireo
ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo,
dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza
sady feno fahendrena,
ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.