Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan'i Masindahy Joany Apôstôly 2, 18-21

Fa ianareo kosa dia voahosotr’Ilay Masina, ka mahalala ny zavatra rehetra.

Anaka, izao no ora farany.
Fa araka ny efa renareo, dia ho avy ny antikristy,
ary indro efa misy antikristy maro ankehitriny,
ka izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.
Teo amintsika no niala ihany izy ireo,
nefa tsy anisantsika;
fa raha anisantsika izy,
dia ho niara-nitoetra tamintsika;
izy no niala dia mba hampiharihary
fa tsy anisantsika izy rehetra.
Fa ianareo kosa dia voahosotr’Ilay Masina,
ka mahalala ny zavatra rehetra.
Tsy noho ianareo tsy mahalala ny marina
no nanoratako ho anareo,
fa noho ianareo mahalala izany indrindra,
ary mahafantatra fa ny lainga rehetra dia tsy avy amin’ny marina.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 95, 12. 11-12. 13

Aoka hifaly ny lanitra, ary hiravo ny tany!

Ikaloy ireo hira vaovao
ho an’ny Tomponao, ry manana aina!
Ny fisaorana aoka hanakoako!
Isan’andro vaky dia torio:
Itony vonjy nentiny lazao
mba handre daholo ny eran-tany.

He! ny Tompo irery no Mpanjaka.
Itony tany: vitany mijoro.
Izany rariny entiny mitsara.
Mifalia, ry lanitra sy tany!
Aoka hidobodoboka ny riaka
ka hifaliavanja izany saha.

Mandihiza ianao, ry hazo an’ala
anoloan’ny Tompo: indro Izy
mba hitsara izao tontolo izao.
Itony tany itony ho zakainy.
Ny ambanilanitra ho tsarainy
hilazany “marina” hatrany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Teny dia tonga nofo ka nonina taty amintsika.
Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 1, 1-18

Ary ny Teny tonga nofo.

Tamin’ny voalohany ny Teny,
ary ny Teny, dia tao amin’Andriamanitra,
ary Andriamanitra ny Teny.
Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy.
Izy no nahariana ny zavatra rehetra,
ary raha tsy Izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra.
Tao aminy ny fiainana,
ary ny fiainana no fahazavan’ny olona.
Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana,
fa tsy nandray azy ny maizina.

Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra,
Joany no anarany;
tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy,
mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny.
Tsy izy anefa no Fahazavana
fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy.
Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana,
izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao.
Teo amin’izao tontolo izao Izy,
ary Izy no nahariana izao tontolo izao,
nefa tsy nahalala Azy izao tontolo izao.
Tonga tao amin’ny olony Izy,
fa ny olony tsy nandray Azy.
Fa izay rehetra nandray Azy,
dia nomeny ny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra,
dia izay mino ny Anarany,
ka tsy mba nateraky ny ra, na ny sitra-pon’ny nofo,
na ny sitra-pon’ny olona ireo,
fa naterak’Andriamanitra.
Ary ny Teny dia tonga nofo,
ka nonina tatý amintsika;
ary nibanjina ny voninahiny izahay,
dia voninahitra tahaka izay zakain-Janaka Lahitokana avy amin’ny Rainy,
sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.
Nanambara Azy i Joany ka niantso nanao hoe:

“Izy ilay nolazaiko hoe:
Izay avy ao aoriako dia efa tonga eo alohako,
satria talohako Izy.”

Ary avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika rehetra
fahasoavana miampy fahasoavana,
satria ny Lalàna moa nomena tamin’ny alalan’i Môizy
fa ny fahasoavana sy ny fahamasinana kosa
dia avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana;
fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany
no hany nanambara Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...