Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan'i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo 2, 12-17)

Izy manao ny sitra-pon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Manoratra ho anareo zanaka aho,
satria voavela ny helokareo noho ny Anaran’i Jesoa.
Manoratra ho anareo aho, ry ray,
satria nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo.
Manoratra ho anareo aho, ry zatovo,
satria naharesy ilay Ratsy ianareo.
Nanoratra ho anareo ankizy aho,
satria efa nahalala ny Ray ianareo.
Nanoratra ho anareo ray aho
satria efa nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo.
Nanoratra ho anareo zatovo aho,
satria mahery ianareo ka mitoetra ao aminareo ny tenin’Andriamanitra,
sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo.
Aza tia izao tontolo izao,
na ny zavatra amin’izao tontolo izao.
Fa izay tia an’izao tontolo izao
dia tsy manana fitiavana ny Ray ao anatiny.
Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao,
ny filan’ny nofo, ny fitiavan’ny maso,
ny rehaka amin’izao fiainana izao,
dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.
Mandalo izao tontolo izao sy ny filàny,
fa izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra
no maharitra mandrakizay.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 95, 7-8a. 8b. 9. 10

Aoka hifaly ny lanitra, ary hiravo ny tany!

Omeo ny Tompo, rey vahoaka,
irony hasina sy fahefana
mbamin’ireo
Anaram-panajana.

Ny fanatitrao
andeha atolory,
ka ny Tompo Masina iankohofy
fa ny tavany e mahajemby.

Ny tontolo
aoka hihararetra
fa hilaza dinika ny Tompo,
hotorîny amin’ny firenena.

He! Ny Tompo irery no Mpanjaka.
Itony tany: vitany mijoro.
Izany rariny
entiny mitsara.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Imbetsaka fahiny Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika tamin’ny vavan’ny Mpaminany; nony farany, amin’izao androntsika izao kosa dia ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 36-40)

Nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Israely i Ana.

Tamin’ny andro nanoloran’ny ray aman-dreniny an’i Jesoa tao an-tempoly,
dia nisy koa tao mpaminany vavy anankiray, dia i Ana,
zanak’i Fanoela, fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy,
dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy
ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona,
sady tsy niala tao amin’ny tempoly,
fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina
tamin’ny fifadian-kanina sy fivavahana.
Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany,
ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza
tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.
Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra
araka ny Lalàn’ny Tompo,
dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
Ary nitombo nihanatanjaka ny Zaza
sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...