Vakiteny voalohany

Bokin’ny zanak’i Siràka 3, 2-6. 12-14

Manaja ny ray aman-dreniny izay matahotra ny Tompo.

Sitraky ny Tompo ny hanajan’ny zanaka ny rainy;
ary nanorina ny fahefan’ny reny amin’ny zanany Izy.
Izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany;
ary fanangonan-karena ny fanajana ny reny.
Izay manaja ny rainy, hampifalian’ny zanany;
ary hohenoina amin’ny andro ivavahany izy.
Izay manaja ny rainy ho lava andro iainana,
izay manaiky ny Tompo hanome fiononana ny reniny.
Anaka, tohano amin’ny andro fahanterana ny rainao,
ary aza mampalahelo azy ny andro iainany.
Raha avy izay haharerahan’ny fanahiny, iantrao izy,
ary aza manatsinontsinona azy,
rehefa be indrindra ny tanjakao.
Fa ny soa atao amin-dray, tsy mba ho very tadidy;
ary hisolo toerana ny fahotanao,
ny fanambinana ho tonga amin’ny tranonao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 127, 1. 2. 3. 4-5

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo, sy mizotra amin’ny lalany.

Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
sy mizotra fehizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao:
hasambarana moa ny anao!

Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
eo anivon-tranonao;
ny zanako solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.

Izany tokoa no fitahiana ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Avy ao Siôna anie ny Tompo hitahy anao hatrany:
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany KôIôsy 3, 12-21

Toy izao ny fiainan’ny mpianakavy eo anatrehan’ny Tompo.

Ry kristianina havana,
olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala,
ka mitafia famindram-po amam-piantrana,
halemem-panahy amam-panetren-tena,
fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka,
raha misy manana alahelo amin’ny namany.
Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo
no hamelanareo heloka ihany koa.
Fa ambonin’izany rehetra izany,
dia mitafia ny fitiavana,
izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy,
izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray;
ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy,
ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo;
ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo,
amin’ny salamo aman-kira masina.
Ary na inona na inona ataonareo,
na amin’ny teny, na amin’ny asa,
dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra,
sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo,
araka ny mety ao amin’ny Tompo.
Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo,
ary aza sosotsosotra aminy.
Ianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra,
fa ankasitrahin’ny Tompo izany.
Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo,
fandrao dia mamoy fo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy;
ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 2, 13-15. 19-23

Ento ny Zazakely sy ny Reniny ary mandosira any Ejipta.

Nony lasa ny Majy,
indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Jôsefa
tamin’ny nofy ka nanao hoe:

“Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny Reniny,
ary mandosira any Ejipta,
dia mitoera any mandrapilazako aminao indray,
fa i Herôda efa hitady ny Zazakely hovonoiny”.

Mbola alina, dia nifoha izy,
nitondra ny Zazakely sy ny Reniny,
ka lasa nankany Ejipta.
Ary dia nitoetra tany izy ambara-pahafatin’i Herôda,
mba ho tanteraka ny tenin’ny Tompo
voalazan’ny Mpaminany hoe:

“Nantsoiko hiala tany Ejipta ny Zanako.”

Ary rehefa maty i Herôda,
indro nisy Anjelin’ny Tompo,
niseho tamin’i Jôsefa tany Ejipta tamin’ny nofy,
ka nanao hoe:

“Mifohaza ianao, ento ny Zazakely, sy ny Reniny,
ka modia any amin’ny tanin’i Israely,
fa efa maty izay nitady ny ain’ny Zazakely”.

Dia nifoha izy, nitondra ny Zazakely sy ny Reniny
ka tonga tany amin’ny tanin’i Israely.
Nony reny anefa fa i Arkeiaosy no nanjaka tany Jodea
nandimby an’i Herôda rainy,
dia natahotra hankany izy,
ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy.
Ary nony tonga tany izy,
dia nonina tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta
mba ho tanteraka ilay tenin’ny mpaminany hoe:

Fa hatao hoe Nazareanina Izy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...