Vakiteny voalohany

Boky Fanisana 24, 2-7. 15-17a

Misy kintana hipoitra avy amin’i Jakôba.

Tamin’izany andro izany,
natopin’i Balaama ny masony,
dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy,
ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
ka nilaza ny lahateniny nanao hoe:

“Faminanian’i Balaama, zanak’i Beora;
faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony;
faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,
izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha,
izay lavo ka misokatra ny masony:
Endrey ity hatsaran’ny lainao, ry Jakôba!
Ary izato fonenanao, ry Israely!
Midadasika toa lohasaha,
tahaka ny zaridaina amoron’ny ony,
tahaka ny taretra nambolen’ny Tompo,
tahaka ny sedera amoron-drano!

Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa.
Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be.
Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga,
ary ny fanjakany mandroso voninahitra.”

Dia nilaza ny lahateniny indray i Balaama, ka nanao hoe:

“Faminanian’i Baalama zanak’i Beora.
Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony,
faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,
izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra,
izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha.
Izay lavo ka misokatra ny masony.
Hitako Izy, fa tsy toy ny ankehitriny;
tazako Izy fa tsy mba akaiky.
Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba,
tehim-panjaka iray mitsangana avy amin’i Israely.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 24, 4ab-5ab. 6-7bd. 8-9

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy!
Ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo:
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola!
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!

Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ho avy ny Tompo, tsenao izy;
Izy no Mpanjakan’ny fiadanana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 23-27

Avy taiza ny batemin’i Joany ?

Tamin’izany andro izany,
rahefa tafiditra tao an-tempoly i Jesoa ka nampianatra tao,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe:

“Fahefana avy aiza no anaovanao izao?
ary iza no nahazoanao izany?”

Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo;
ka raha voavalinareo izany
dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy taiza moa ny batemin’i Joany?
avy tany an-danitra sa avy tamin’ny olona?”

Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe:

“Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra,
dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo?
Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray,
ny vahoaka kosa no atahorantsika,
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany.”

Dia izao no navaliny an’i Jesoa:

“Tsy fantatray.”

Ary hoy Izy taminy:

“Izaho koa àry,
dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...