Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 11, 1-10

Hitoetra eo aminy ny Fanahin’ny Tompo.

Amin’izany andro izany,
hisy rantsana hipoitra amin’ny fototr’i Jese,
ary hisy solofo haniry avy amin’ny fakany.
Hitoetra eo aminy ny Fanahin’ny Tompo,
dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina,
fanahin’ny fifidianana amam-paherezana,
fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana ny Tompo.
Ny fahatahorana ny Tompo no fototry ny fahafinaretany.
Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony Izy,
na hanapaka araka izay ren’ny sofiny.
Ny madinika hotsarainy ara-drariny,
ary ny mpietry eto an-tany
dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina.
Hikapoka ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany izy,
ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.
Fahamarinana no hisikinan’ny andilany
ary fatrapo mahatoky no ho fehin-kibony.
Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry,
ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy,
ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy,
hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy.
Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray,
ny zanak’ireo hiray trano fandriana;
ary ny liona hihinam-bilona ohatra ny omby.
Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana;
ary ny zaza vao misara-nono
hanao ny tanany ao an-davaky ny baziliky.
Tsy hisy hampidi-doza na handrava,
eran’ny tendrombohitra masina,
satria ny tany ho feno fahalalana ny Tompo,
toy ny fanambanin’ny ranomasina,
feno ny rano manarona azy.
Izao no hiseho amin’izany andro izany:
ny solofon’i Jese,
voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa,
dia hotadiavin’ny firenena,
ary ho be voninahitra ny fonenany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 1-2. 7-8. 12-13. 17

Hamony amin’ny andron’ny Tompo ny rariny, ary ny fiadanana hitombo mandrakizay.

Andriamanitry ny fahamarinana ô,
mba tolory ny andriana mpitondra sy ny zanak’andriana ho dimbiny,
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.
Amin’ny androny hamony ny rariny,
ary mandra-pahafatin’ny volana,
dia hisy fandriam-pahalemana lavorary sy feno tanteraka.
Ranomasina no ho sisin-taniny,
ary ny ony no ho valam-parihiny.
Izy hanafaka ny malahelo mitoloko tsy manan-kanampy.
Ny mahantra sy ny ory hovonjeny,
hotsimbininy hatrany ny osa.
Ny Anarany hankalazaina sy haharitra toy ny masoandro.
Ary indro hatao fitahiana ireo foko manerana an-tany.
Ary Izy no ho reharehan’ireo mponin’ny tany tontolo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 10, 21-24

Nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina i Jesoa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina ka nanao hoe :

“Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry,
fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa.
Eny, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray,
na ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanambaràna Azy.”

Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy
ka nilaza taminy manokana hoe :

“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo
fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka
naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita,
ary handre izay renareo, fa tsy nandre.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...