Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 4, 2-6

Ho rehareha amam-boninahitra ho an’ireo sisan’i Israely afaka ny Mesia.

Amin’izany andro izany,
ny Solofon’ny Tompo ho haingo amam-boninahitra,
ary ny Vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka,
ho an’ireo sisan’i Israely afaka.
Ka izay ho tafajanona ao Siôna,
sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema
hantsoina hoe masina,
dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.
Rahefa voasasan’ny Tompo ny loton’ny zanakavavin’i Siôna,
ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany,
amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana,
amin’izay dia hoforonin’ny Tompo
eran’ny tendrombohitra Siôna manontolo,
sy eo ambonin’ny fivoriany,
ny rahona aman-tsetroka anankiray mandritra ny andro,
ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina.
Eo ambonin’ny voninahiny rehetra dia hisy elo:
fa hisy lay mba hanalokaloka,
amin’ny fidaindainan’ny andro,
ary ho fandosirana sy fialofana
amin’ny ranonorambaratra sy ny ranonorana.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 121, 1-3. 4-5. 6-7. 8-9

Faly aho nilazana hoe : Andeha isika ho any an-tranon’ny Tompo

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra,
nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo.
Indro tonga soa ’zahay tapitr’eto re ny dia,
eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.

Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo!
Ao ny Anaran’Izy Tompo no derain’i Israely.
Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao,
ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida.

Angataho, italahoy fiadanana i Siôna.
Fanambinana e, mba ho amin’ny olon-tia anao rehetra.
Fiadanana e, mba honina ao anaty mandanao!
ka hanjaka lalandava ao anaty rovanao.

Noho ireo sakaiza maro sy ireo havako rehetra,
aoka aho hilaza hoe: Fiadanana ho anao!
Noho ny tranon’Izy Tompo dia ’lay Andriamanitray,
tiako indrindra, ry Siôna, ny mba hiadananao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11

Maro ny avy any Atsinanana sy ny avy any Andrefana no ho any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
rahefa niditra tao Kafarnaôma i Jesoa,
dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy
ka nihanta taminy nanao hoe :

“ Tompo ô,
marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko,
sady mijaly mafy dia mafy. ”

Ary hoy i Jesoa taminy :

“ Ho avy hanasitrana azy Aho. ”

Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe :

“ Tompoko,
tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho,
fa manonòna teny iray ihany,
dia ho sitrana ny ankizilahiko.
Fa na dia olom-pehezina aza aho,
mba mifehy miaramila ihany koa,
ka raha lazaiko amin’ny iray hoe :
Andeha ianao, dia mandeha izy;
ary amin’ny anankiray :
Avia ianao, dia avy izy,
ary amin’ny ankiziko : Ataovy izao, dia manao izy. ”

Gaga i Jesoa nony nandre izany,
ka hoy Izy tamin’izay nanaraka Azy :

“ Lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely.
Ary izany koa no ilazako aminareo
fa maro ny avy any Atsinanana sy avy any Andrefana
no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be
miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka, ary i Jakôba
any amin’ny Fanjakan’ny lanitra. ”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...