Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks 23, 20-23a)

Indro aho maniraka Anjely eo anoloanao.

Izao no lazain’ny Tompo:

“Indro Aho maniraka anjely eo alohanao,
hiaro anao eny an-dalana sy hahatonga anao any amin’ny toerana nomaniko.
Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony;
aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy,
satria ny anarako no ao aminy.
Fa raha mihaino ny feony kosa ianao, ka manao izay rehetra holazaiko,
dia ho fahavalon’ny fahavalonao Aho, sy ho rafin’ny rafinao.
Fa mandeha eo anoloanao ny anjeliko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal 90, 1-2. 3-4. 5-6. 10-11

Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’ny lalanao rehetra.

‘Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’Ilay Avo,
velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo!
“O, ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho”
Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.

Fa ny Tompo no mpanafaka amy fandrika mandavo
sy manakana, manohana fiadiana mety hamono.
Eo ambanin’ireo elany no anaronany anao.
‘Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!

Ary ‘zany fahamarinany moa ts’ilay fiarovan-tratra:
Na raha alina ka tojo ‘rony amboa manao andia, na antoandro mifanehatra amim-borona mahery!
Na misoko te handringana amin’ny haizina ny loza.
Tsy hangovitra, tsy hatahotra, tsy hihontsona ianao.

Ka ny tena tsy mba tran’irony loza mahafaty;
‘zay antambo koa tsy hiditra ny trano itoeranao!
Fa nomeny baiko manko ny anjeliny rehetra
mba hanampy anao ho tody soa aman-tsara an-tranonao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)

Mahita mandrakariva ny Tavan’ny Raiko izay any an-danitra ny Anjelin’izy ireny.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:

“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”

Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany, ary hoy Izy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...