Vakiteny voalohany

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (He. 13, 1-3. 14-16)

Aza manadino ny fandraisam-bahiny.

Ry kristianina havana, mahareta amin’ny fitiavana ny rahalahy.
Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny,
fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano anjely,
nefa tsy nahalala azy.
Tsarovy izy mifatotra,
aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo;
ary izay ampahoriana koa, fa mbola ao anatin’ny nofo koa ianareo.

Fa fonena-mandalo no antsika ety an-tany, fa mitady ny ho avy isika.
Koa aoka àry isika hanolotra fanati-piderana ho an’Andriamanitra
amin’ny alalany mandrakariva;
izany hoe, ny vokatry ny molotra mankalaza azy.
Ary aza manadino ny fanaovan-tsoa sy ny fiantrana
fa fanatitra toy ireny no ankasitrahan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33

Efa nandramanay e fa tsara ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Mankalazà ny Tompo miaraka amiko;
miaraha isika midera ny Anarany!
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny;
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjìna Azy fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaiahy.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo sy anarano fo ity hamamin’ny Tompo:
sambatra ny olona mifefy aminy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 19-27)

Mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona.

Tamin’izany andro izany,
maro tamin’ny Jody no tonga tao amin’i Marta sy i Maria
mba hitsapa alahelo azy noho ny nahafatesan’ny anadahiny.
Vantany vao ren’i Marta fa hoe tamy i Jesoa,
dia nandeha nitsena Azy izy, fa i Maria no nijanona tao an-trano.
Dia hoy i Marta tamin’i Jesoa:

“Raha tatỳ Ianao, Tompoko, dia tsy maty ny anadahiko.
Ary na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra,
dia homen’Andriamanitra Anao”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Hitsangana ny anadahinao”.

Fa hoy i Marta taminy:

“Fantatro fa hitsangana izy amin’ny farandro fitsanganan’ny maty”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no fananganana sy fiainana;
izay mino Ahy, na maty aza, dia ho velona indray;
ary izay rehetra velona ka mino Ahy, dia tsy ho faty mandrakizay.
Mino izany va ianao?” —

“Eny, Tompoko, hoy izy taminy,
mino aho fa Ianao no i Kristy Zanak’Andriamanitra velona,
Ilay hoe tonga amin’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 38-42)

Nandray Azy tao an-tanony i Marta. I Maria no nifidy ny anjara tsara.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia niditra tamin’ny vohitra anankiray,
ary nisy vehivavy atao hoe i Marta nandray Azy tao an-tranony.
Nanan-drahavavy anankiray ato hoe Maria izy,
izay nipetra teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny;
fa i Marta kosa sahirana tamin’ny fanompoana be.
Dia niato kely izy ka nanao hoe:

“Tompoko, tsy mampaninona Anao va ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery?
Mba asaovy manampy ahy re izy”.

Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao,
nefa zavatra iray monja no ilaina;
fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra
izay tsy halana aminy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...