Vakiteny voalohany
Bokin’i Osea Mpaminany (Osea 11, 1b. 3-4. 8d-9)
Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.
Izao no lazain’ny Tompo:
“Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy;
ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana ny zanako.
Ary Izaho nampiana-mandeha an’i Efraima, sy nitantana azy tamin’ny sandriny,
nefa tsy fantany fa nanolikoly azy Aho.
Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo,
dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana;
mova Aho tsy ilay nanainga jioga ho azy, eo ambonin’ny valanoranony,
ary niodrika taminy sy nampihinana azy.
(Nefa tsy nety niverina tamiko izy: ka hofaiziko va?)
Tsia! Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.
Tsy hanarana ny firehetran’ny hatezerako Aho,
tsy horavako fanindroany i Efraima.
Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona:
eo afovoanao ilay Masina, ka tsy ho tonga Aho mitondra ny fisafoahako”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Iz 12, 2-3. 4. 5-6
Hanovo rano an-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjena.
Ianao Andriamanitra Ray no vonjiko.
Matoky aho, mijoro fa tsy matahotra.
Ny Tompo no hery sy reharehako.
Fa Izy no vonjy sy fialofako.
Avia àry hanovo amin-kafaliana.
Ny vonjin’ny Tompo eo an-doharanony.
Amin’izany andro izany, samia manezaka.
Derao Andriamanitra, antsoy ny Anarany.
Torio ny vahoaka ny zava-bitany.
Lazao fa tsy takatra hoe ny Anarany.
Ambony ny Tompo ka dia nasehony.
Lazao an’izany ny vazan-tany.
Ianao, ry Siôna hitotorebika.
Fa Tompo lehibe Izy sady masina.
Vakiteny faharoa
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez 3, 8-12. 14-19)
Hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra ianareo.
Ry kristianina havana,
izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra
no nomena fahasoavana izany ny Jentiny ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,
sy ny hazavana amin’ny olona rehetra ny filaharan’ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay
tao amin’Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra.
Dia izany no naseho ankehitriny tamin’ny alalan’ny Eglizy,
ka tonga fantatr’ireo fitondrana sy fahefana any an-danitra ny fahaizan’Andriamanitra mamoron-kevitra,
araka ny lahatra nataony hatrizay hatrizay tao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika,
Izay ananantsika fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amim-pahatokiana noho ny finoana Azy.
Eny, noho izany no andohalihako amin’ny Ray,
izay angalan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ny anarana,
mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny,
ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin’ny Fanahy,
sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana,
dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo,
ka hiara-mahafantatra tsara amin’ny olo-masina rehetra
izay sakany sy lavany, ary haavony sy halaliny,
sady hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra,
ka dia ho fenon’ny hafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ento ny jiogako ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry Tena ao am-po Aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 19, 31-37)
Nolefonin’ny miaramila anankiray ny Fony, ka nisy ra sy rano nivoaka.
Zoma, andro fiomanana tamin’izay,
ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon’ireo nofantsihana,
dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin’ny Hazofijaliana amin’ny andro sabata
(fa andro lehibe izany sabata izany).
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany
sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa;
fa nony nankeo amin’i Jesoa izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy,
ka tsy mba notapahiny ny ranjony.
Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny Fony,
ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay.
Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany,
sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe:
“Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza”.
Ary hoy indray ny koa ny Soratra Masina:
“Hijery izay nolefoniny izy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.