Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 24, 3-8)

Ity no ran’ny fanekena nataon’ny Tompo taminareo.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga i Môizy nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra,
ka indray niredona ny vahoaka namaly hoe:

“Izay teny rehetra voalazan’ny Tompo dia hotanterahinay avokoa”.

Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’ny Tompo.
Dia nifoha maraina koa izy, nanorina ôtely teo am-pototry ny tendrombohitra,
sy nanangana tsangam-bato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo.
Ary naniraka zatovolahy zanak’i Israely izy,
ka nanolotra sorona dorana tamin’ny Tompo ireo sy namono ombalahy hatao sorom-pisaorana.
Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany,
ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.
Izay vao nalainy ny bokin’ny Fanekena ary novakìny teo anatrehan’ny vahoaka, izay namaly hoe:

“Hataonay sy hoekenay avokoa izay rehetra voalazan’ny Tompo”.

Dia nalain’i Môizy ny ra,
nafafiny tamin’ny vahoaka sy nolazainy hoe:

“Ity no ran’ny Fanekena nataon’ny Tompo taminareo momba izany teny rehetra izany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 115, 12-13. 15-16bd. 17-18

Hanainga ny kapoakan’ny famonjena aho ho fiantsoana ny Anaran’ny Tompo.

Inona no havaliko ny Tompo
amin’ny soa rehetra nataony ahy?
Handray ny kapoakam-pandresena aho
sady hiantso ny Anaran’ny Tompo.

Tsy sitraky ny Tompo velively
ny hahafatesan’ny sakaizany.
Mpanomponao aho, ry Tompo:
ka nalànao fatorana.

Koa mitondra fanati-pisaorana aho
sy miantso ny Anaran’ny Tompo,
manefa ny voadiko tamin’ny Tompo
atrehin’ny vahoakany tontolo.

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 9, 11-15)

Ny Ran’i Kristy no hanadio ny fontsika.

Ry kristianina havana,
i Kristy, nony efa tonga Mpisorombe ny amin’ny soa ho avy,
dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana,
izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao:
sady tsy mba ran’osilahy na ran-janak’omby,
fa ny Ran’ny Tenany no nentiny niditra tao amin’ny fitoerana masina indrindra,
indray mandeha monja dia ampy, ka nahazoany fanavotana mandrakizay.
Ary raha ny ran’osilahy sy ny ranjanak’omby aza
mbamin’ny famafazana ny lavenom-bantotr’omby vavy
nanamasina izay voaloto amin’ny fanadiovana ny nofo,
mainka ny Ran’i Kristy izay nanolotra ny Tenany tsy manan-tsiny tamin’Andriamanitra,
amin’ny alalan’ny Fanahy mandrakizay,
no hanadio ny fontsika ho afaka amin’ny asa maty,
mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona!
Noho izany, dia Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao Izy,
mba hahazoan’izay voaantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy,
rehefa nisy fahafatesana hanala ny fahotana, natao tamin’ny fanekena taloha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Antsa

Derao ny Mpamonjy, ry Siôna,
Hobio sy antsao ny Kiadinao
sy Mpifehy anao.

Mikezaha araka izay tratry ny ainao,
satria ambony noho ny dera rehetra Izy,
ka tsy ampy hidera Azy ianao.

Ny deraintsika anio indrindra
dia ilay Mofo velona,
ilay Mofo manome aina.

Dia ilay Mofo nomena ny Apôstôly roa ambin’ny folo
araka ny efa fantatsika,
tamin’ilay Fanasana farany.

Aoka ny fiderana ataontsika hanetriketrika
ary aoka ny hirantsika hahate-hihaino,
aoka ny hafaliantsika ho tsara.

Satria ilay andro malaza
namoronana io Fanasana masina io
no deraintsika anio izao.

Amin’izany fanasan’ny Mpanjaka vaovao izany
dia ny Paka vaovaon’ny Lalàna vaovao
no misolo ny Paka taloha.

Ny fomba vaovao: mandimby ny fomba taloha;
ny marina mampisava ny aloka,
ary ny fahazavana mamono ny haizin’ny alina.

Izay nataon’i Kristy tamin’ilay sakafo hariva
dia nodidiany hatao
ho fahatsiarovana Azy.

Ny nataony no arahinay
ka dia manamasina ny mofo sy ny divay
hanjary ho sorom-pamonjena izahay.

Teny finoana ho an’ny kristianina
no ahatongavan’ny mofo ho Nofo,
sy ny divay ho Ra.

Izay tsy azonao, izay tsy hitan’ny masonao
dia ampiaiken’ny finoana velona,
na dia tsy araka ny fomban’ny zava-boaary aza.

Ao anatin’ny endri-javatra samy hafa
endrika fotsiny tsy misy ventiny intsony
no iafenan’ny zava-tsoa faran’izay ambony.

Ny Nofo dia hanina ary ny Ra dia fisotro,
fa ny endrika roa dia samy misy
ny Tenan’i Jesoa Kristy manontolo.

Tsy tapaka izy, tsy mivaky,
tsy saratsarahin’ny mpandray
fa raisina manontolo.

Na olona iray na olona arivo no mandray
dia izay raisin’ny arivo no raisin’ny iray
mandray izy rehetra fa tsy mahalany Azy.

Mandray ny tsara fanahy, mandray koa ny ratsy fanahy
fa tsy mitovy izay anjarany:
na ho fiainana izany na ho fahafatesana.

Fahafatesana no azoa’ny ratsy fanahy,
ary fiainana no hitan’ny tsara fanahy:
endrey ity tsy fitoviam-bokatra
nefa hanina iray ihany no hanina!

Ilay vakìna iny ny endrika
dia aza misalasala ianao fa tsarovy
fa na hôstia sombiny na manontolo tsy mivaky;
dia samy misy an’i Jesoa Kristy manontolo.

Ny Tena izay takon’ny endrika
dia tsy vaky akory;
ilay endrika hita maso ihany no motika
fa Ilay ambarany dia tsy miova toetra.

Indro Ilay Mofon’ny Anjely
manjary vatsy ho an’ny olombelona mpivahiny:
tena sakafon’ny zanaka tokoa
ka tsy tokony hatsipy hohanin’ny amboa.

Efa voatandindona fahiny izy,
na tamin’i Isaaka natao sorona,
na tamin’ny zanak’ondrin’ny Paka,
na tamin’ny mana namelona ny razantsika tany an’efitra.

Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, ry Mofo mahavelona,
mamindrà fo aminay,
aoka Ianao ho hanina hamelona sy hanohana anay,
ary aoka Ianao hampahita anay ny soa
any amin’ny tanin’ny Velona.

Ianao no mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra,
ka mamahana anay eto an-tany;
koa eto izahay miara-misakafo aminao,
ka dia tongavy ho mpiray lova,
sy ho naman’ireo mponina masina any an-danitra. Amen.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 14, 12-16. 22-26)

Vatako ity, Rako ity.

Tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka,
dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe:

“Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?”

Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe:

“Mankanesa any an-tanàna,
ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo,
ka manaraha azy.
Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe:
‘Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao:
Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?’
Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo,
ka ao no anamboary ho antsika”.

Dia nandeha ny mpianatra ka tonga tany an-tanàna,
ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka.
Ary raha mbola nihinana Izy,
dia nandray mofo i Jesoa, ka nony efa notsofiny rano sy novakiny
dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe:

“Raiso, fa Vatako ity”.

Raha efa izany dia nandray ny kalisy Izy,
ka nony efa nisaotra, dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra.
Ary nolazainy taminy hoe:

“Rako ity,
dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro.
Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho
mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”.

Nony efa nanao hira fiderana izy ireo,
dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...