Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 15-17. 20-26)

I Matiasy no nahazo ny loka ka izy no lany ho anisan’ny Apôstôly roa ambin'ny folo lahy.

Tamin’izany andro izany, dia nitsangana teo afovoan’ny rahalahy i Piera
(tokony ho roapolo amby zato ny isan’izy nivory teo) ka nanao hoe:

“Ry rahalahy, tsy maintsy tanteraka ilay Soratra voalazan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’i Davida
momba an’i Jodasy, izay nitarika ny mpisambotra an’i Jesoa;
fa anisantsika ihany koa izy, sady nanana anjara tamin’izao fandraharahantsika izao.
Ary izany indrindra no voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe:
Aoka ho lao ny fonenany, ka tsy honenan’olona akory;
ary koa: Aoka ho lasan’olon-kafa ny anjara raharahany.
Koa amin’ireo lehilahy niaraka tamintsika
tamin’ny andro rehetra nitoeran’i Jesoa Tompo teto amintsika,
hatramin’ny nanaovan’i Joany batemy Azy ka hatramin’ny andro niakarany any an-danitra,
dia aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona.”

Dia nanokana roa lahy tamin’izy ireo izy,
dia i Jôsefa atao hoe i Barsabasy sy nampiana anarana hoe ilay Marina, ary i Matiasy,
ka nivavaka nanao hoe:

“Tompo ô, Ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra,
ka asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto,
mba hanana anjara amin’izao fandraharahan’ny Apôstôly izao,
izay nialan’i Jodasy hankanesany any amin’ny fitoerany.”

Dia nanaovany loka izy roa lahy, ary i Matiasy no nahazo ny loka,
ka izy no lany ho isan’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-6. 7-8

Ny Tompo mampiray toerana azy amin’ny andriandahin’ny vahoakany.

Derao, ry mpanompon’ny Tompo,
derao ny Anaran'ny Tompo.
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay.

Tongava marain-tsy hariva
hidera ny Anaran’ny Tompo.
Ambonin’ireo firenena:
Ny lazany avo dia avo!

Moa misy mitovy amy Tompo?
Ny Tompo mitoetra any ambony.
Ka miandroka Izy mijery,
na lanitra izany na tany.

Alàny amy fako ny ory.
Esoriny avy eo ny mahantra.
Apetrany anilan’andriana,
andriana izay fanta-bahoaka.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa hantsoiko hoe sakaiza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa,
ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako,
tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
Izaho no milaza izany aminareo, dia mba ho ao aminareo ny fifaliako,
ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa
noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo,
satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony
fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo,
ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo,
ary haharetan’ny vokatrareo,
sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...