Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 47, 1-2. 8-9. 12)

Ary nahita rano nivoaka avy ao an-Tempoly aho, ary velona avokoa izay nalehan’io rano io.

Tamin’izany andro izany,
dia nentin’ny Anjely niverina ho eo amin’ny varavaran’ny trano indray aho.
Ary indro nisy rano nivoaka avy eo ambanin’ny tokonan’ny trano,
amin’ny lafiny atsinanana,
fa mitodika miatsinanana ny anoloan’ny trano;
ka nidina ny rano
avy ao ambanin’ny lafin-trano ankavanana tao atsimon’ny ôtely.
Nentiny nivoaka tamin’ny alo-baravarana avaratra aho,
dia nsainy nanodidina eo ivelany aho
mandra-pahatonga eo amin’ny alo-baravarana ivelany
mitodika miatsinanana;
ka indro ny rano nandeha tamin’ny lafiny ankvanana.
Hoy izy tamiko:

“Ity rano ity
dia mandeha mankany amin’ny faritany atsinanana;
hidina ho any amin’ny tany lemaka
vao hiditra ho ao amin’ny ranomasina;
hoentina mankany amin’ny ranomasina izy,
dia ho tonga mahasalama ny rano.
Ny zava-manana aina mihetsiketsika
any amin’izay alehan’ny ony roa,
na aiza na aiza,
ho velona avokoa,
ka ho be dia be ny hazandrano;
satria raha vao tonga any ity rano ity,
dia ho tonga mahasalama ny ranomasina,
ary hahavelona avokoa izay alehan’ny ony maria.
Eo akaikin’ny ony,
amin’ny morony an-daniny avy,
hisy hazo mamoa isan-karazany haniry,
ka ny raviny tsy mba halazo,
ary ny voany tsy mba hitsahatra.
Hamoa voa vaovao isam-bolana izy,
satria hivoaka avy ao amin’ny fitoerana masina ny ranony;
ny voany ho fihinana tsara
ary ny raviny ho fanasitranana tsara”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 45, 2-3. 5-6. 8-9

Ny Tompon’ny Tafika no momba anay, ny Andriamanitr’i Jakôba no Fiarovana-Avonay.

Andriamanitra ny anay no aro sy hery,
hita hatrizay fa mamonjy amin’ny sarotra;
izahay tsy hanahy raha ny tany hihozona,
ny vohitra hihovotra afovoan-dranomasina.

Misy ony mampifaly ny tanànan’Andriamanitra,
ny masina indrindra amin’ny fonenan’ny Avo:
tsy hirona fa Andriamanitra eo anivony
ka hamonjy raha ho avy ny maraina.

Ny Tompon’ny Tafika momba anay;
ny Andriamanitr’i Jakôba: Fiarovana-Avonay!
Tongava hizaha ny asan’ny Tompo,
ny zava-mahagaga vitany eran-tany.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (1 Kôr. 3, 9b-11. 16-17)

Tempolin’Andriamanitra ianareo.

Ry kristianina havana,
trano arafitr’Andriamanitra ianareo.
Noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy,
dia nanao fanorenana toy ny tompo-marika mahay aho,
ary ny hafa kosa nandrafitra eo amboniny.
Samia anefa mitandrina izay narafiny eo amboniny;
satria tsy misy mahazo manao fanorenana hafa
afa-tsy izay efa vita, dia i Jesoa Kristy.
Tsy fantatrareo va
fa tempolin’Andriamanitra ianareo,
ka mitoetra ao anatinareo ny Fanahin’Andriamanitra?
Koa izay mandrava ny tempolin’Andriamanitra
dia horavan’Andriamanitra kosa,
satria masina ny tempolin’Andriamanitra,
dia ianareo izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 2, 13-22)

Ny Vatany no Tempoly nolazainy.

Nony akaiky ny Pakan’ny Jody
dia niakatra tany Jerosalema i Jesoa.
Ary hitany tao anatin’ny Tempoly
ny mpivarotra omby aman’ondry sy voromahailala
ary ny mpanakalo vola nipetraka tao,
ka nanao kotopia tamin’ny tady madinika Izy,
dia nandroaka azy rehetra mbamin’ny omby aman’ondry
hiala amin’ny Tempoly;
nararany ny volan’ny mpanakalo vola,
nazerany ny latabatra,
ary hoy Izy tamin’izay nivaro-boromahailala:

“Esory eto ireo,
fa aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko”.

Dia tsaroan’ny mpianany fa efa voasoratra hoe:

Ny fitiavako ny tranonao no maharìtra ny aiko.

Fa niteny koa ny Jody ka nanao taminy hoe:

“Inona no famantarana asehonao aminay
no manao toy izao Ianao?”

Dia namaly azy i Jesoa nanao hoe:

“Ravao ity Tempoly ity,
fa hatsangako indray amin’ny hateloana”.

Ka hoy ny Jody:

“Enina amby efapolo taona
no nanaovana ity Tempoly ity,
ka Ianao ve dia hanangana azy indray
amin’ny hateloana e?”

Ny Vatany anefa no Tempoly nolazainy.
Ary nony tafatsangan-ko velona Izy,
dia tsaroan’ny mpianany fa voalazany izany,
ka nino ny Soratra Masina
sy ny teny voalazan’i Jesoa izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...