Mbola hitsangan-ko velona ny maty.

Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Makabeo (2 Mak. 12, 48-46)

Valisoa tsara indrindra no voatahiry ho an’ireo nody mandry tamim-pitiavam-bavaka.

Tamin’izany andro izany,
dia nampanao vokatra i Jodasa filohan’i Israely,
ka nahavory drakma roa arivo,
nampanateriny hanaovana sorona fanonerana any Jerosalema.
Asa soa sy mendrika,
avy amin’ny fiheverana ny fitsanganan-ko velona izany.
Satria raha tsy mino izy
fa tsy maintsy hitsangan-ko velona ny miaramila maty an’ady,
dia zava-poana sy tsy misy antony ny mivavaka ho an’ny maty.
Noheveriny koa fa valisoa tsara indrindra
no voatahiry ho an’izay mody mandry amim-pitiavam-bavaka,
ka hevitra masina ombam-pitiavam-bavaka izany.
Izany no nanaovany an’izany sorona fanonerana izany ho an’ny maty,
mba ho afaka amin’ny fahotany izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 41, 3. 4. 5bde

Ny fanahiko mangetaheta an’ilay Andriamanitra velona.

Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra,
ilay Andriamanitra velona.
Rahoviana aho no afaka hanarana
sy hankafy ny hasoan’Andriamanitra?
Ranomaso no sakafoko na andro na alina;
lalandava; “Aiza ity Andriamanitrao?”

Vao tsaroako manko ny fahiny,
dia miempo ny fanahiko ato amiko:
Endrey izany izaho mitarika vahoaka
izay mandroso ao an-tranon’Andriamanitra
amin’ny horaka an-danonana manakoako!

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 5, 1. 6-10)

Manan-trano haharitra mandrakizay any an-danitra isika.

Ry kristianina havana,
fantatray fa rehefa rava ity trano lay itoeranay eto an-tany ity,
manan-trano tsy nataon-tanan’olona,
fa narafitr’Andriamanitra izahay,
dia trano haharitra mandrakizay any an-danitra.
Koa noho izahay manana mandrakariva izany toky izany,
sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay
raha mbola mitoetra amin’ny vatana
(satria finoana moa no andehanantsika fa tsy fahitana),
dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana,
mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo.
Ary izany ihany koa no ikelezanay aina mba hankasitrahin’ny Tompo,
na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy
mba handraisantsika tsirairay avy,
izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana,
na soa izany na ratsy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka tsy hitebiteby ny fonareo.
Mino an’Andriamanitra ianareo, ka minoa Ahy koa.
Misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko;
raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho;
fa handeha Aho hanamboatra fitoerana ho anareo,
ary rehefa lasa Aho ka voavoatra ny fitoerana ho anareo,
dia ho avy indray Aho haka anareo ho any amiko,
dia izay itoerako no hitoeranareo koa.
Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’izay alehako”.

Dia hoy i Tômà taminy:

“Tsy fantatray izay alehanao, Tompoko,
ka ahoana no hahafantaranay ny lalana?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana;
tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.


Ao ny lanitra: hahasambatra mandrakizay.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 25, 6a. 7-9)

Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay.

Amin’izany andro izany,
ny Tompon’ny tafika dia hanomana fanasana amin’ity tendrombohitra ity
ho an’ny firenena rehetra.
Horovitiny eto amin’ity tendrombohitra ity ny voaly manarona ny olona rehetra
mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay;
ny Tompo Andriamanitra hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra;
ny henatry ny vahoakany hoesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra;
fa efa niteny ny Tompo.
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany:

“Indro ny Andriamanitsika izay niankinantsika mba ho voavonjy,
dia ny Tompo izay nantenaintsika.
Aoka isika hanao fifaliana sy hiravoravo amin’ny famonjeny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Tononkira 38, 10. 14. 16

Izaho no fananganan-ko velona. Izay mino Ahy, na maty aza mbola ho velona.

Vao misasaka ity ny fiainako, hoy aho,
dia ho any amin’ny maty sahady aho,
ka ny androko sisa rehetra
dia afoy avokoa!

Mikoraraika toa sidintsidina aho,
mitolokoloko toa voromailala;
valalanina ny masoko miandra;
mijaly aho, ry Tompo, ka iantrao!

Ireo mandry any amin’ilay hady
tsy manantena Anao intsony;
fa ny velona toa ahy izao
no hany mankalaza Anao.

Vakiteny faharoa

Boky Fanambaràna nosoratani Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 14, 13)

Sambatra ny maty izay maty ao amin’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
izaho Joany nandre feo avy any an-danitra nanao hoe:

“Soraty:
Sambatra hatramin’izao ny maty
izay maty ao amin’ny Tompo”.

Eny, hoy ny Fanahy,
aoka hiala sasatra amin’ny asany izy,
fa ny asany hanaraka azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Any an-danitra ny fanjakantsika ary avy any no iandrasantsika ny Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompontsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 24-26)

Ray ô, tiako hiaraka amiko any amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niandrandra ny lanitra,
ary nivavaka nanao hoe:

“Ray ô,
tiako hiaraka amiko any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy,
mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy,
satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.
Ray marina ô,
tsy nahalala Anao izao tontolo izao,
fa Izaho no nahalala Anao,
ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.
Efa nampahafantariko ny Anaranao izy,
sady mbola hampahafantariko koa,
mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy,
ary mba ho ao aminy koa Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.


Mamy ny miaina.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniela Mpaminany (Dan. 12, 1-3)

Maro amin’ireo mandry amin’ny vovo-tany no hifoha.

Amin’izany andro izany,
hitsangana i Misely ilay filoha ambony,
izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao,
ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy,
hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany.
Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao,
dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky.
Ary maro amin’ireo mandry amin’ny vovo-tany no hifoha:
ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay,
fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay.
Izay ho efa hendry, hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra;
ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana,
ho tahaka ny kintana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 42, 3. 4. 5

Lavitra ny Tompo isika raha mbola ety an-tsesitany nefa kosa ny Fanahy efa antoka ho antsika.

Ny hazavanao sy ny fahamarinanao
alefaso hitantana ahy
hatrany am-bohitrao masina,
hatrany amin’ny fonenanao:
ka eo amin’ny ôtelin’Andriamanitra aho,
ilay Andriamanitra fototry ny hafaliako,
no hidera Anao amim-baliha,
ry Andriamanitra Andriamanitro.

Ry fanahiko ô, ahoana no manjonitra?
no misento mahalana ato amiko?
Matokia fa izaho mbola hidera
an’ilay Andriamanitro Mpamonjy ahy!

Vakiteny faharoa

Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 21, 1-5a)

Ny fahafatesana dia tsy hisy intsony.

Izaho Joany,
dia nahita lanitra vaovao sy tany vaovao;
fa efa lasa ny lanitra voalohany, sy ny tany voalohany,
ary tsy hisy intsony koa ny ranomasina.
Dia indro hitako nidina avy any an-danitra
ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra,
dia i Jerosalema vaovao,
voahaingo toy ny vehivavy ampakarina,
voaomana hihaona amin’ny vadiny.
Ary inay nisy feo reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe:

“Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona,
ary Izy hiara-monina amin’izy ireo.
Izy ireo moa ho vahoakany,
ary Izy Andriamanitra mitoetra ao aminy kosa,
ho Andriamanitr’izy ireo.
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra
amin’ny mason’izy ireo,
ary ny fahafatesana dia tsy hisy intsony;
ny alahelo amam-pitarainana sy fahoriana koa tsy hisy intsony,
fa efa lasa ny toetra taloha”.

Dia hoy Ilay nipetraka teo ambony seza fiandrianana:

“Indro havaoziko ny zavatra rehetra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aieloia.

Izao no sitra-pon’ny Raiko dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka sy mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 21-27)

Izaho no fananganana sy fiainana.

Tamin’izany andro izany,
hoy i Marta tamin’i Jesoa:

“Raha taty Ianao, Tompoko,
dia tsy maty ny anadahiko.
Ary na dia izao aza,
dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra,
dia homen’Andriamanitra Anao”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Hitsangana ny anadahinao”.

Fa hoy i Marta taminy:

“Fantatro fa hitsangana izy,
amin’ny farandro fitsanganan’ny maty”.

Hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no fananganana sy fiainana;
izay mino Ahy na dia maty aza,
dia ho velona indray;
ary izay rehetra velona ka mino Ahy
dia tsy ho faty mandrakizay.
Mino izany va ianao?”

Ary hoy izy taminy:

“Eny, Tompoko,
mino aho fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona,
Ilay hoe ho tonga amin’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.


[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...