Vakiteny voalohany
Bokin’i Daniely Mpaminany (Daniely 7, 9-10. 13-14)
Arivoarivo no nanompo Azy.
Nijery aho, ka nahita seza fiandrianana,
izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray,
fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany;
tahaka ny volon’ondry madio, ny volon-dohany;
lelafo ny seza fiandrianany;
afo mirehitra ny kodiarany;
ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany,
arivoarivo no nanompo azy,
ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.
Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’olona tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra
nandroso izy nankeo amin’ilay Anti-dahy,
ka nentina ho eo anatrehany,
dia nomena ny fahefana, sy ny voninahitra, amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena
sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fahefany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Vakiteny voalohany
Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 12, 7-12a)
Niady tamin’ny Dragona i Misely sy ny Anjeliny.
Ary nisy ady tany an-danitra:
I Misely sy ny anjeliny moa niady tamin’ny Dragona;
ny Dragona sy ny anjeliny koa namely, fa tsy nahomby,
sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony;
ka nazera itý Dragona lehibe,
dia ilay menarana antitra atao hoe demony sy Satana,
izay mamitaka an’izao tontolo izao;
ny tenany moa nazera tamin’ny tany,
ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.
Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe:
Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana;
an’i Kristy koa ny fahefana;
fa efa voazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika,
dia ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitra.
Nandresy azy ireo koa ny rahalahintsika
noho ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany
ary ny tsy fitandroany ny ainy na dia ho faty aza Izy.
Koa mifalia, ry lanitra mbaminareo monina ao aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 137, 1-2a. 2bd-3. 4-5
Miantsa Anao eo anatrehan’ireo Anjely aho, ry Tompo.
Tompo ô, midera Anao amin’ny foko tontolo aho:
satria Ianao nihaino ny tenin’ny vavako!
Miantsa Anao eo anatrehan’ireo Anjely aho,
miankohoka mitodika ny tempolinao masina.
Misaotra ny Anaranao aho:
noho ny hatsaram-po sy fahamarinanao!
Fa nataonao lehibe ny Anaranao,
sy ambonin’ny zava-drehetra ny Teninao.
Ny andro iantsoako mamaly Ianao,
sy mampitombo hery ny fanahiko!
Ny Mpanjakan’ny tany misaotra Anao avokoa;
fa nahahaino ny tenin’ny vavanao!
Mihira ny lalan’ny Tompo izy ireo,
fa lehibe ny voninahitry ny Tompo!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 47-51)
Hahita ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona ianareo.
Tamin’izany andro izany,
nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa,
dia nilaza azy hoe:
“Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.”
Ka hoy i Natanaely taminy:
“Ahoana no nahalalanao ahy?”
Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao,
dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao.”
Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe:
“Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra,
Ianao no Mpanjakan’i Israely.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Mino ianao,
satria nilazako fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao;
mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.”
Dia hoy koa Izy:
“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa hahita ny lanitra misokatra
sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina
eo ambonin’ny Zanak’olona ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.