Vakiteny voalohany

Bokin'ny Jenezy (Jen 3, 9-15. 20)

Renin’ny olombelona rehetra.

Rehefa nihinana tamin’ny voankazo i Adama,
dia niantso azy ny Tompo Andriamanitra nilaza taminy hoe:

“Aiza moa ianao?”

Hoy ny navaliny:

“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra fa mitanjaka, ka dia niery aho.”

Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:

“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo noraràko tsy hihinananao va ianao?”

Hoy ny navalin-dralehilahy:

“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko
no nanome ahy tamin’ilay hazo dia nihinana aho.”

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:

“Ahoana no nanaovanao izany?”

Hoy ny navalin-dravehivavy:

“Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.”

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:

“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao
ary vovo-tany no hohaninao
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy,
ny taranakao sy ny taranany:
izy hanorotoro ny lohanao,
ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.”

Ary Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny,
satria izy no renin’ny olombelona rehetra.

— Izany àry ny tenin'ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 12-14)

Naharitra nivavaka izy rehetra niaraka tamin’i Maria Renin’i Jesoa.

Tamin’izany andro izany;
nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly,
avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva,
izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema.
Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo,
dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba.
Niray saina izy rehetra,
ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany,
sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 19, 25-34)

Indro ny zanakao. Indro ny reninao.

Ary nitsangana teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesoa
ny reniny sy ny rahavavin-dreniny,
dia Maria vadin'i Kleofasy, ary Maria Madelena.
Nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany
nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny:

" Ravehivavy, indro ny zanakao."

Ary hoy koa izy tamin'ilay mpianatra:

" Indro ny reninao."

Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
Nony afaka izany, dia fantatr'i Jesoa
fa efa tanteraka ny zavatra rehetra,
ka hoy izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina:

" Mangetaheta aho."

Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo,
ka nalaina ny sponjy novontosana vinaingitra,
sy notohizana tamin'ny hazo hisopy,
dia natohoka teo am-bavany.
Vao nanandrana ny vinaingitra izy dia nanao hoe:

" Tanteraka ny zavatra rehetra."

Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.

Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody
mba hotapahina ny ranjon'izy ireo, dia hoesorina,
mba tsy hisy faty mihantona amin'ny hazo fijaliana amin'ny andro sabata
(fa andro lehibe izany sabata izany).
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany
sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa;
fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo,
dia hitany fa efa maty sahady izy,
ka tsy mba notapahiny ny ranjony.
Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny lanivoany,
ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...