Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen 3, 9-15. 20)

Hampifandrafesiko ny taranakao sy ny taranaky ny vehivavy.

Rehefa nihinana tamin’ny voankazo i Adama,
dia niantso azy ny Tompo Andriamanitra nilaza taminy hoe:

“Aiza moa ianao?”

Hoy ny navaliny:

“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra fa mitanjaka, ka dia niery aho.”

Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:

“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo noraràko tsy hihinananao va ianao?”

Hoy ny navalin-dralehilahy:

“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko
no nanome ahy tamin’ilay hazo dia nihinana aho.”

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:

“Ahoana no nanaovanao izany?”

Hoy ny navalin-dravehivavy:

“Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.”

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:

“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao
ary vovo-tany no hohaninao
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy,
ny taranakao sy ny taranany:
izy hanorotoro ny lohanao,
ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.”

Ary Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny,
satria izy no renin’ny olombelona rehetra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4

Ihirao hiravao ny Tompo, fa nahavita zava-mahagaga.

Ihirao hira vao ny Tompo
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina.

Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho fahamarinana tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry Tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany.

Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’ny Andriamanitray!
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo,
mientàna, mihobia sy miantsà.

Vakiteny faharoa

Taratasin'i Masindahy Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy (Efez 1, 3-6. 11-12)

Tao amin’i Kristy no nifidianan’Andriamanitra antsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao.

Ry kristianina havana,
hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy,
amin’ny tsodrano rehetra ara-panahy any an-danitra,
sy nifidy antsika tao aminy
talohan’ny nahariana izao tontolo izao,
mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana
araka ny sitraky ny fony,
mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;
nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany,
dia ny fahasoavany nanasoavany antsika
ao amin’Ilay malalany.
Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika,
rehefa voatendry rahateo isika,
araka ny fikasan’Ilay manao ny zavatra rehetra
manaraka ny hevitry ny Fony,
mba ho fankalazana ny voninahiny isika,
dia isika izay nanantena an’i Kristy rahateo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao.

Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea
atao hoe Nazareta,
ho any amin’ny Virjiny anankiray
fofom-badin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:

“Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.”

Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:

“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao.
Ary indro, hitoe-jaza ianao,
ka hiteraka Zazalahy,
ary Jesoa no hataonao Anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra:
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.”

Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:

“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”

Hoy ny Anjely namaly azy:

“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra no hanaloka anao;
noho izany dia hatao hoe
Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro i Elizabeta rahavavinao
dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.”

Dia hoy i Maria:

“Inty aho ankizivavin’ny Tompo,
aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.”

Dia niala teo aminy ny Anjely.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...