Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 10, 9-18

Avy amin’ny toriteny ny finoana, ary avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny toriteny.

Ry kristianina havana,
raha manaiky amin’ny vavanao ianao
fa i Jesoa no Tompo,
sy mino amin’ny fonao
fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona,
dia ho voavonjy ianao.
Satria ny finoana amin’ny fo
no ahazoana fahamarinana;
ary ny fanekena amin’ny vava
no ahazoana famonjena,
araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe:

“Izay mino Azy tsy mba ho menatra.”

Tsy misy hafa na Jody na Jentily,
satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra,
manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;
fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo
no hovonjena.
Hatao ahoana àry no fiantso izay mbola tsy ninoana?
Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re?
Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory?
Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina?
araka ny voasoratra hoe:

“Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!”

Tsy ny rehetra anefa no nanaiky ny Evanjely,
araka ny tenin’i Izaia hoe:

“Tompo ô, iza no nino ny teny notorìnay?”

Koa avy amin’ny toriteny ny finoana;
ary avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny toriteny.
Fa hoy izaho:

“Sao dia tsy nandre izy ireo?”

Tsy izany akory:
lasa nanerana ny tany rehetra ny feony,
ary tonga hatramin’ny fara vazan-tany ny teniny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 18, 2-3. 4-5

Ny soratra ataony no tsinjo eran-tany

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra,
ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’andro manaraka;
ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany;
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina.
Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 18-22

Nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany,
nitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa,
ary nahita olona mirahalahy,
dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i André rahalahiny,
nanarato teo amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Dia hoy Izy taminy:

“Avia hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo.”

Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Dia mbola nandroso ihany Izy,
ka nahita olona mirahalahy hafa koa,
dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny
izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy,
nanamboatra ny haratony;
ary nantsoiny izy mirahalahy.
Nandao ny haratony sy ny rainy
niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...