Zoma 3 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 27-31

Manam-pinoana ireto jamba roa lahy ireto fa i Jesoa no afaka mampahiratra azy ireo. Eto moa dia ny famindram-po no nangatahany ary fatantr’i Jesoa fa ny tsy fahitana no mahaory azy ireo. Fatantr’izy ireo koa fa i Jesoa no mahay manasitrana azy ka tsy navelany fa notanarahany hatrany an-trano. Mahavariana ny hoe nifampitantana izy ireo nanaraka an’i Jesoa hatrany an-trano. Na jamba aza dia mahay mifanohana, mifampitarika manaraka an’i Jesoa. Vavaka fifonana no nipololotra avy ao am-pon’izy ireo : "Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo aminay!". Ilay vavaka fifonana ataontsika amin’ny Sorona Masina na amin’ny fotoam-pivavahana ataontsika. Tsy izy roa lahy ihany no jamba ka mila fahiratana, fa na isika koa aza dia jamban’ny fahotana, ka mila mandrakariva ny famindram-pon’Andriamanitra. Tsy manosi-bohotanana izay mitady ny Famindrampony Andriamanitra.

Amin’izao vanim-potoan’ny Fiaviana izao no iandrandrantsika ny famindrampon’Andriamanitra sy ny famonjena ka itodihantsika any Aminy. Manana ny anjara toerany lehibe amin’izany ny vavaka, dia vavaka am-paharetana sy fahatokisana tanteraka an’Andriamnitra. Porofon’izany ny tsy namalian’i Jesoa azy roa lahy teny an-dalana raha tsy tonga tany an-trano. Raha olona mora kivy sy tsy nanam-paharetana izy roa lahy tsy ho tojo amin’izao zavatra niriny izao. Mila fitsapana ny finoana mba ho lalim-paka. Ny finoana voasedra no mitondra vokatra tsara eo amin’ny fiainantsika. Fotoana ilana faharetana izao vanim-potoana diavintsika izao dia tsy inona izany fa ny faharetana mivavaka ary mila koa finoana lalina mba hanova ny fiainantsika any amin’ny tsara kokoa hatrany. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...