Zoma 5 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-8

Fanoharana iray izay maneho ny fahatokisan’Andriamanitra antsika no ataon’i Jesoa eto amin’ity Evanjely ity.

Fahatokisana izay nohararaotintsika olombelona anefa, satria dia nivadika tamin’izany isika. Raha fijerin’olombelona no jerena, dia hita fa tranga hafahafa no miseho eto satria ilay mpitandrim-panana tsy marina indray no derain’ny tompony avy eo. Ny tiana asongadina eto dia tsy izy ilay nanao ny tsy marina fa ilay nampiseho hafetsena sy hakingan-tsaina mba hamerenana ilay fananan’ny tompony any amin’ny olon-kafa. Toa izany koa ny fijerin’Andriamanitra antsika, tsy isika ilay nivadi-pitokisana taminy no hitivany antsika fa ilay mampiasa ny taletantsika sy ny saintsika amin’ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra.

Ny talenta sy ny saina dia tokony ampiasaina amin’ny zavatra tsara fa tsy sanatria akory amin’ny ratsy. Amin’izao fotoana diavintsika izao tokoa mantsy, dia mila mitory ny Tenin’Andriamanitra amin’ny endriny vaovao isika. Tsy ilaina araka izany ny mionona amin’ny fomba efa mahazatra. Ary mila fandinihina ara-tsaina tokoa izany na dia eo àry ireo fahalemena izay mpahazo antsika eo amin’ny fiainana.

Tadidio àry fa omen’Andriamananitra fahatokisana isika satria efa noraisiny ho zanaka tamin’ny alalan’ny Batemy fa tsy mpanompo intsony. Nomeny saina sy talenta isika tsirairay avy mba hanitatra ny fanjakan’Andriamanitra dieny ety an-tany.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...