Sabotsy 30 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 1. 7-11

Zava-nisy ary atao hoe fombantsika olombelona no itondran’i Kristy fampianarana vaovao eto, mba hiainantsika ny fomban’Andriamanitra : hanetry tena sy hahay handray sy hiaiky izay toerana sahaza antsika. Endriky ny toerana ao amin’ny fampakaram-bady no lazaina eto, fa mampianatra hahay hipetraka sy tsy hitady seza na voninahitra eo anatrehan’Andriamanitra : "Izay manandra-tena no hahetry fa izay manetry tena no hasandratra".

I Kristy raha mampianatra, tsy teny atao fotsiny ny Azy fa fiainana tahafina. Izy no naneho tamintsika ny atao hoe fanetren-tena, satria na dia Andriamanitra aza Izy dia nietry tena ho tonga olombelona ary nizaka ny mangidy indrindra mpanjo ny olombelona tamin’ny iraka nanirahana Azy. Koa raha miantso sy manasa ary maniraka antsika Andriamanitra dia tsy maintsy maka tahaka an’i Kristy isika, hanao ny sitrapony fa izany no antoka hahazoantsika ny voninahitra eo anatrehany, ary hanaiky koa izay toerana sahaza antsika.

Alaim-panahy anefa isika indraindray hamaritra mialoha izay toerana sahaza antsika, tsarovy anefa fa ny ezaka ataontsika isan’andro hanao ny tsara toa an’i Kristy, ny ady atrehina mba handresena ny toetra maha olombelona no antoka hahazoantsika ny toerana tsaratsara kokoa ametrahan’Andriamanitra antsika.

Aza variana miady toerana na seza eto an-tany, fa miasà mba hahazo ilay satro-boninahitra maharitra sy mahasambatra omen’Andriamanitra antsika, dia ilay efa tafian’ireo olomasina any an-danitra.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...