Alakamisy 14 oktobra 2021 — Herinandro favalo amby roapolo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 47-54
Manameloka ny fihatsarambelatsihy ny Evanjely anio. Fihatsarambelatsihin’ireo mpitondra ny vahokan’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany : izany hoe toa fatra-panaja sy mahatsiaro am-panajana manokana an’ireo mpaminany taloha izy ireo kanefa tsy mitsahatra ny manenjika sy mamono ireo mpaninany mbola velona ankehitriny. Toa tsy mifanaraka ny lazainy sy ny ataony, satria milaza azy ho zanak’ireo mpaminany nenjehina sy novoina izy ireo kanefa ireo mpaminany ankehitriny toa enjehina hatrany, toa an’i Jesoa Kristy.
Hafatra miantefa amintsika kristianina izany ka ampahatsiahivana antsika fa tsy amin’alalan’ny teny fotsiny akory no handrefesana ny maha kristianina antsika, fa amin’alalan’ireo asa soa vitantsika eo amin’ny fiainana ; izany hoe, ny tena kristianina dia tsy ireo mahay mandaha-teny ka mandresy lahatra antsika ny mahakasika an’i Jesoa Kristy, fa ireo miaina araka an’i Kristy tokoa.
Misy hafatra hafa ankoatra ny voalaza teo ihany koa no azontsika tsoahana amin’io Evanjely io : mifanindran-dàlana amin’ny asam-pitoriana ataon’ny mpaminany rehetra ny fanenjehana sy ny fahafatesana vokatr’izany asa sahanina izany, satria tsy natao hanaraka ny sitrapon’olona torina akory ny mpaminany na koa mila mangina manoloana ny tsy rariny sy ny hitsiny. Mpaminany sandoka ianao raha toa ka tsy voaenjika mihitsy teo amin’ny fiainana satria mety tsy ny Tenin’Andriamanitra no notorinao fa nitady teny mifanaraka amin’ny sitrapon’ny mpihaino no nolazainao ; nitady irony teny tsy manaitra sy mampibebaka irony angamba ianao.