Zoma 8 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 15-26

Mahery ny ratsy ary tsy tery lalana sy tsy misy tandroka ; izany no fomba fiteny andavanandro. Izany rehetra izany anefa tsy inona fa asan’ny demony avokoa. Na mahery aza anefa ny demony sy ny asany dia mbola mahery lavitra noho izy i Jesoa Andriamanitra sy ny fahefany.

Raha mangeja sy mamatotra i Satana, i Jesoa mamaha sy manolotra fiainam-baovao. Raha manakana antsika tsy hifandray amin'Andriamanitra ny demony dia i Jesoa mandrava ny sakana rehetra, satria Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra. Manana ny fahefana feno handroaka ny fanahy maloto i Jesoa. Manambara fa iraky ny Ray manokana mba hanavotra antsika olombelona Izy.

Ry havana, maro dia maro ankehitriny ny antokom-pinoana milaza fa mitsabo olona, manasitrana ny aretina rehetra, mametra-tanana etsy sy eroa ary mandroaka devoly… ny tena zava-doza aza dia maro ny mpino kristianina mpiray finoana amintsika no mirona mankany. Misy aza moa mahavita mandao ny Fiangonana sy manary ny finoana. Ny fanalahidy hiatrehana izany dia tano tsara ny finoana noraisina (tano ny azo fa sarotra ny mila), samia miorim-paka amin'Andriamanitra mba tsy ho matimaty ny finoana. Aoka àry ho mailo, ary aza mety ho rebirebena sy mihinana amam-bolony, fa Andriamanitra mbola tsy namitaka antsika ka miantehera sy matokia Azy.

Afaho ‘zahay ry Tomponay ô ! Afaho amin'ny ota mamatotra anay e ! Afaho amin'ny fanangolen’ilay ratsy. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...