Talata 5 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42

Dinidiniky ny ambany tafotrano. Izay no azo ilazana ny fihaonan’i Jesoa sy i Maria ary i Marta. Fihaonana niteraka tebiteby ho an’i Marta nanoloana ny fandraisana ity vahiny. Toa isika mba mandray vahiny ihany io, tsy maintsy mba mikoropaka etsy sy eroa : manontany vaovao, mikarakara, mitady izay haroso. Dia toy izany no nihatra ara-bakiteny tamin'i Marta sy I Maria.

Tsikaritr’i Jesoa ny fihetsik’ireto vehivavy roa ireto, izay tsiahivina fa i Marta no tena sahirana irery nikarakara nahandro sy izay hatolotra an’i Jesoa mba ho fanomezam-boninahitra Azy. Tetsy andanin’izay i Maria kosa, variana loatra nihaino an’i Jesoa, sondriana sy liana tamin'ny Teniny satria ny teny soa sakafo.

Araka izany dia i Maria no nifidy ny anjara tsara. Tsy hoe manao tsinontsinona ny asa nataon’i Marta akory i Jesoa, na sanatria saro-tiavina fa tian’i Jesoa hambara fa samy ilaina daholo na ny sakafo ara-nofo na ny sakafo ara-panahy ; fa tiany hotsindriana fa ny sakafo ara-panahy aloha no ambonimbony kokoa noho ny sakafo ara-batana.

Ry Havana, safotry ny tabataban’izao tontolo izao ny fiainan’ny zanak’olombelona ankehitriny, koa ilaina ny mihaino an’Andriamanitra amin'ny alalan’ny Teniny, ilaina koa ny mihaino ny feon’ny fieritreretana mba tsy handeha anjambany ny fiainana. Ilaina torak’izany ihany koa ny mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina mba hiarahana miasa Aminy satria ny finoana tsy arahan’asa dia zava-poana.

Raiso aho Jesoa fa tiako anie Ianao, sitrapoko ny hanara-dia anao. Ny fiainako tontolo no voababonao, manantena aho fa ho raisinao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...