Alarobia 18 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 1-16

Ny Evanjely anio dia manoritsoritra amintsika ny fanjakan’Andriamanitra araka ny fampianaran’i Kristy. Nampiasaina eto ny fanoharana amin’ny tanim-boaloboka izay endriky ny vahoaka Israely ao amin’ny Testamenta Taloha. Isika rehetra dia voaantso avokoa mba hiasa amin’izany tanim-boaloboka izany, na dia tsy mitovy aza ny ora anombohan’ny tsirairay ny asa. Ny fiantson’Andriamanitra tokoa dia manokana fa tsy miaraka.

Raha jerena ireto mpiasa izay niditra tamin’ny ora voalohany, dia hita fa velom-pialonana an’ireo sasany izay niditra tao aoriany satria mitovy ny karama. Endrika iray izay hitantsika amin’ilay tantaran’ilay zaza mpandany izay nialonan’ilay zokiny ny fiverenany. Ity fanoharana ity akory dia tsy natao mba hampianarana ireo mpampiasa hoe ahoana ny handoavana ny karaman’ny mpiasa rehefa tsy mitovy ny ora iasan’izy ireo. Mahakasika ny fanjakan’Andriamanitra eto ny resaka, izay raisin’i Kristy an-kafaliana daholo na ny mpiasa niditra tamin’ny ora voalohany na ny mpiasa niditra tamin’ny ora farany. Ireo izay niditra tamin’ny ora voalohany dia tsy iza fa ireo Jody izay namaly ny antson’i Kristy tamin’izany. Ny karaman’izy ireo mantsy dia ny nahita maso an’ilay Mesia izay nampanantenain’ireo mpaminany. Ny mpiasa tamin’ny ora farany kosa, dia ireo mpanota sy ireo jentily izay nahafantatra an’i Kristy ka nanaraka azy. Ny fialonana sy ny hatezerana kosa dia toetra hita tamin’ireo farisianina izay nanenjika an’i Jesoa noho ny fitiavany ny mpanota. Izy ireo izay nihevitra fa ny fanjakan’Andriamanitra dia natokana ho an’ny Jody izay manaraka ny Lalana ihany.

Ny fanjakan’Andriamanitra no valisoa ho antsika rehetra. Io no karama ho antsika, noho izany tian’Andriamanitra ho voavonjy daholo ny olona izay miasa ho an’ny tanim-boalobony. Ny olona rehetra araka izany dia tiany hiasa ao, ary izay tsy miasa ao àry, dia mitady fomba manokana Izy mba hamonjena azy ireo.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...