Talata 17 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 23-30

Mitohy hatrany ny fampianaran’i Jesoa mahakasika ireo mpanankarena. Eto dia tsy ilay tovolahy mpanankarena irery no hiantefan’izany, fa izay rehetra miantehatra amin’ny harena ananany.

Efa nolazaintsika teto omaly fa zary lasa sakana lehibe ho fidirana any amin’ny fanjakan’ny lanitra ny harena. Tsy ny harena amin’ny maha harena azy akory no ratsy, fa ny fontsika izay toa lasa miankina be aminy ihany, ka tsy mba mahatsiaro intsony an’Andriamanitra sy tsy miraharaha ireo namana, fa indrindra ny madinika sy ny mahantra. Ho an’ireo izay manana toe-tsaina sahala amin’izany indrindra no nanambaran’i Kristy, fa sarotra ho azy ireo ny hidirany amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

Ireo mpianatr’i Kristy ireo àry no modely voalohany ho antsika, ny amin’ny fahafoizana ny zavatra rehetra mba hanarahan-dia azy. Tamin’izy ireo mantsy, dia nisy ny nandao ny fianakaviany, nisy ny nandao ny asa izay fanaony andavanandro, nisy ny nandao ny hareny. Ary efa nambaran’i Jesoa fa ny fahafoizana ireo rehetra ireo no hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Izany hoe, omena toerana voalohany Andriamanitra ary izy no tokony ho tiavina voalohany mihoatra ny zavatra rehetra.

I Jesoa eto tsy niteny mihitsy hoe tsy mila raharahahina ny fianakaviana, na ny asa, na ny harena, fa aoka kosa mba ho izy Andriamanitra no hameno ny fontsika, ary tsy tokony hampandeferina ny asany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...