Alarobia 11 aogositra 2021 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 15-20

Disadisa, tsy miala amin'ny fiainan'ny olombelona ; ary ny ratsy atao, manimba ny fifandraisana. Tsy mijanona eo amintsika samy olombelona ihany anefa, fa mifandray sy mametraka antsika koa eo anatrehan'Andriamanitra. Ary fiainana maneho ny maha isika antsika eo anatrehan'Andriamanitra sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa. Mba hampirindra izany no hampianaran'i Kristy antsika anio, hanao izay fomba hihavanantsika samy isika aloha voalohany, mba hizorantsika miaraka, hihavana amin'Andriamanitra : hifanatona sy hifampiresaka, dingana mandrindra ny tsy fifankahazoana na hadisoana niseho mba hahatsapana ny vokatra aterany. Fa indrindra, tsy hamelantsika fotsiny amin'izao ny toe-javatra simba vokatry ny hadisoana, fa hitondrantsika ny anjara manandrify hahatanteraka ny fanjakan'Andriamanitra, dia ny fanjakan'ny Fitiavana. Fa izay aorintsika ety an-tany dia ankasitrahan'Andriamanitra, araka ny tenin'i Kristy tamin'ny Evanjely nambara tamintsika teo.

Vavaka fanaontsika matetika ny hoe : "Ho tonga anie ny fanjakanao... ety an-tany tahaka ny any an-danitra". Adidy, ezaka, tolona miatomboka ao amin'ny tenantsika isan'andro izany, fa tsy fangatahana fotsiny ihany, ary fiainana mihalavorary, lavitry ny disadisa sy ny valifaty ary ny herisetra. Enga izany mba hezahantsika tanterahana mba hiseho ny fiaraha-monintsika olombelon amin'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...