Zoma 30 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 54-58

Na dia eo aza ireo ezaka ataontsika isan’andro ho fanatsarana ny fari-piainantsika, mangetaheta ny fahagagana avy amin’Andriamanitra hatrany isika mba hahita asa mendrika, hahafahana hanabe araka ny tokony ho izy ireo zanaka, mba hositrana amin’ny aretina mahazo, mba ho resy tanteraka ity valan’aretina Coronavirus ity, mba hahazo zanaka amam-paramandimby, mba hilamina ny fiainan-tokantrano…

Ho tanteraka avokoa ireo fahagagana ireo raha toa ka manam-pinoana an’Andriamanitra sy ny asa ataony amintsika isanandro isika. Tsy te-hahalala hoe iza i Jesoa Kristy, ireo mponina tao Nazareta tanàna fiaviany : gaga noho ny fahalalany ny sasany tamin’izy ireo, sahiran-tsaina momba ny aminy, ny ankamaroany ka tsy nino satria diso fantatra loatra no sady avy amin’ny fianakaviana tsotra sy mahantra izy. Mety tsy hino an’i Jesoa Kristy toy izany ihany koa isika rehefa mihevi-tena fa manana ny ampy satria hanosika antsika hihidy manoloana ny fahagagana ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isan’andro izany toe-tsaina izany.

Tsarovy ihany koa fa tsy ho afaka hahatsikaritra ny fahagagan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isan’andro isika raha toa ka miandry Azy hanao fahagagana lehibe, tsy faheno hatramin’izay nisian’izao tontolo izao, kanefa Izy efa hatramin’izay no nanavotra anao tamin’ny fahotana, tamin’ny karazana rofy na ara-batana na ara-panahy ary efa nanafaka antsika tamin’ny fatotry ny fahafatesana tamin’ny nahafatesan’ny Zanany dia i Jesoa Kristy efa nitsangan-ko velona. Miezaha àry isika mba hahatsikaritra amin’alalan’ny masom-panahitsika ireo fahagagana ataon’Andriamanitra na ara-batana izany na ara-panahy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...