Talata 14 janoary 2020 — Herinandro voalohany mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 21-28 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny làlanao, ary tariho amin'ny làla-mahitsy aho.

0 : 00

Ny fandroahana ny demony no ahafahana mametraka amin'ny toerany ny Fanjakan'Andriamanitra satria tsy afa-miara-mioetra ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny Fanjakan'Ilay Ratsy. Ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly dia fanafahana ny olona amin'ny fatorana na gejan'ny ratsy ka ahatongavana ho olom-baovao. Tsapantsika tamin'ny Evanjely teo fa tsy handresy ny fahefan'i Jesoa ny demony. Noho izany ny fiorenan'ny Fanjakan'Andriamanitra ao anatintsika ao no antoka lehibe mampivaingana ny fandresena ny ratsy.

Nampihaiky ny olona nihaino azy ny fampianaran'i Jesoa. Teny feno fahefana sy hery no naloaky ny vavany. Teny mampangina sy maharoaka fanahy maloto. Noho izany, teny manadio ny fanahin'ny olona. Mahaova ny fiainantsika olombelona ho amin'ny tsaratsara kokoa hatrany ny Teniny. Norarany tsy hilaza ny momba azy ny fanahy maloto. Tsy ny fanahy maloto no hanambara hoe: "Fantatro Ianao, dia Ilay Masin'Andriamanitra" amin'ny tsy fotoana tokony hilazana izany.

Ankehitriny, isika vita batemy no afaka milaza fa i Jesoa no "Ilay Masin'Andriamanitra" tonga hamonjy an'izao tontolo izao. Isika no efa zanak'Andriamanitra, efa nitsangan-ko velona am-panahy tamin'ny batemy noraisintsika. Mpiara-miombona antoka amin'ny fampijoroana sy fitoriana ny Fanjakan'Andriamanitra miaraka amin'i Jesoa isika. Koa raha tsapantsika fa iray aina aminy isika dia hahomby sy ho mpandresy miaraka aminy. Tsy ho lavorary izany fiombonantsika aminy izany raha tsy olona tia vavaka, tsy manao ho ambin-javatra io vavaka io. Enga anie isika hanokatra ny fontsika ka ho afaka handray azy ho ao am-pontsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...