Sabotsy 10 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavataona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 24-33
Ry kristianina havana, ny fakana tahaka ny mpampianatra no ahalalana ny mpianatra. Nitory tsy amin-tahotra i Jesoa ; izany koa ny toetry ny mpianatra. Natoky an’Andriamanitra Ray tanteraka Izy ka na nijaly sy maty dia nitsangana ; izany koa no lalana voasoritra hizorantsika.
Averin’i Jesoa in-telo amin’ity Evanjely ity ny hoe "aza matahotra". Ho Azy manko, toy izany koa ny antsika, dia eo Andriamanitra ary miasa, tsy mamela ny zanany ho irery. Ny voro-manidina sy ny ahitra eny an-tsaha aza ahiany, tsy mainka ve fa isika olombelona izay endriny, indrindra ny kristianiana zanany tiany ! Fitokiana tanteraka an’Andriamanitra no angatahana amin’izany ; Andriamanitra izay afaka mamono sy mamery mandrakizay ihany no tokony hatahorana.
Manome toky sy antoky ny famonjena mandrakizay i Jesoa ho an’ireo maharitra hatramin’ny farany. Izy Jesoa Kristy mihitsy no hiaro eo anatrehan’Andriamanitra Ray. Izany rahateo mihitsy Izy : Mpanalalana mandrakizay. Mitoria ; matokia. Amen.