Alarobia 7 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7

Ry kristianina havana, indro àry fa maniraka ny mpianany i Jesoa rahefa nanome azy ireo fahefana handroaka ny fanahy maloto sy hanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Izany hoe manaisotra izay manakana tsy hanjakan’Andriamanitra amin’ny olona. Manala ny fanaintainana sy ny fangirifiriana rehetra mba hanompoan’ny olona an’Andriamanitra am-piadanana.

Antsoina hoe "apôstôly" izy roa ambin’ny folo, izany hoe iraka. Antsoina amin’ny anarany avy satria samy manana ny maha izy azy ny tsirairay. Rehefa tanisaina toy izao ny anaran’ny Apôstôly dia i Piera no voalohany, entina ilazana ny anjara toerany manokana ao amin’ny Eglizy. I Jodasy Iskariota kosa no farany sady ampiana hoe ilay namadika Azy. Ny mahatoky manko no ilaina indrindra.

Alohan’ny handehanana hanatontosa iraka anefa dia mila miray aina amin’i Jesoa Mpamonjy tokana. Asan’izy Jesoa rahateo ihany no hatao fa tsy hafa akory. Ny vahoaka voafidy no atao laharam-pahamehana ary ny fanjakan’Andriamanitra efa akaiky no votoatin’ny iraka. Hitantsika taratra eto ny toetry ny Eglizy : iray, masina, katolika, apostolika. Mivavaha isika ho an’ny Papa dimbin’i Masindahy Piera sy ny eveka rehetra dimbin’ny apôstôly. Enga anie isika ho mpiara-miasa mahatoky amin’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...