Alatsinainy 7 jona 2021 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 1-12

Ry kristianina Havana ! Manomboka amin’ity herinandro fahafolo mandavantaona ity ary mandritra ny telo volana dia hifantoka amin’ny Evanjelin’i Masindahy Matio isika isan’andro ka io toko fahadimy io no manomboka azy. Manome fampianarana maro amin’izany i Jesoa izay sady katesizy ho antsika, koa manasa antsika isan’andro hifantoka amin’izany sy hihaona amin’i Jesoa ao amin’izany katesiziny izany. Ny toko efatra mialoha moa dia efa naroso ho antsika tamin’ny vanim-potoanan’ny Noely sy ny karemy. Raha oharina amin’i Marka i Matio dia manoratra betsaka ny fampianarana nataon’i Jesoa araka izay tena noteneniny mihitsy. Avoitran’i Matio amin’ny endriny dimy ny fampitany ny fampianaran’i Jesoa : ny toriteny tany an-tendrombohitra (5 – 7), fanomanana ireo mpianany amin’ny iraka miandry azy (10), fanoharana momba ny Fanjakan’ny lanitra (13), lesona ho an’ny fiaraha-miaina ao amin’ny Fiangonana (18), fampianarana momba ny fiainana mandrakizay (24 – 25).

Teny voalohany nivoaka ny vavan’i Jesoa ary nanaovany antso avy tamin’ny toriteniny ny hasambarana (sambatra ianareo : misy 8 izy ireo) satria ny hahasambatra antsika olombelona no tanjon’Andriamanitra raha nahary antsika hitovy endrika aminy izy. Manaporofo izany ny nametrahany ireo voalohan-dray aman-drenintsika dia i Adama sy i Eva tao am-paradisan-tany izay voasoritra ho paradisa miandry antsika. Anjarantsika ny mibanjina ny fiainantsika ary manao hazakazaka hahatratra io hasambarana io satria samy mahatsapa isika fa ao amin’Andriamanitra no misy ny tena fahasambarana, ary manome "piste" ho antsika i Jesoa hahatratrarana izay tanjona izay.

Sambatra ianareo… malemy fanahy, mahantra, noana... Zavamisy iainantsika izany rehetra izany. Tsy handeha hieritreritra isika fa Andriamanitra no mamboly fahoriana na fijaliana ho antsika vao ho sambatra isika, fa matetika ny ataontsika olombelona ihany no mahavoa antsika. Na izany na tsy izany anefa dia mametraka ny fahasambarana ho ambonin’izany rehetra izany Izy ho tambin’ny ezaka ataontsika hiaina ny hatsaram-panahy maha kristianina antsika. Ny Fanjakan’ny lanitra, ny fanalana alahelo, ny famindram-po... dia fahasoavana lehibe mitatao eo ambonintsika eo ka mitaky antsika hanao ezaka raha tiantsika ny hahazo azy. Tsy azo mora àry ny fahasoavana koa samia isika miezaka mafy, ary tsy hanjehy ny andro ho lava ihany koa.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...