Alahady 6 jona 2021 — Ny Vatana aman-dRà Masin'i Kristy — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 14, 12-16. 22-26

Ry kristianina Havana ! Mankalaza ny Vatana aman-drà masin’i Kristy ny Eglizy androany ilay fantatsika mazava amin’ilay hoe Sakramenta Masina, ka mifanaraka amin’izany ny Evanjely naroso ho antsika teo. Ao anatin’ny taona B isika izao ka i Masindahy Marka no mamerina antsika hifantoka amin’ny namoronan’i Kristy ny Eokaristia tamin’ny Alakamisy Masina, vanim-potoana hidirana amin’ny fibanjinana ny misterin’ny Paka. Ny tena andro fankalazana ity vatana aman-dràn’i Kristy moa dia tamin’ny alakamisy teo manaraka ny Trinite Masina. Hoy indrindra ny foto-kevitra hanentanan’ny Eglizy antsika amin’ity andro lehibe ity hoe : "Sorom-pihavanana sy sakafo mampiray, ny Eokaristia".

I Jesoa moa izay fahatanterahan’ny Testamenta Taloha dia nanaja ireo fomba amam-panao jody rehetra na dia Izy aza no Paka vaovao ho antsika. Nankalaza ny Paka niaraka amin’ny mpianany Izy. Efa nofaritantsika tamin’ireny vanim-potoanan’ny Paka ireny fa fety lehibe io ary tsy maintsy tsarovana sy ankalazaina raha tsy hiresaka afa-tsy ny fahatsiarovana ny fotoana lehibe nanafahana ny Zanak’Israely. Manamarika ny fankalazana io Paka io ny mofo, ny divay, ny zanak’ondry, ny ana-mangidy, ny vavaka aman-tSalamo. Aoka tsy ho adinointsika fa manome fahafahana ho antsika koa ny fankalazantsika Sorona Masina amin’ny alalan’ny vatana aman-dràn’i Kristy, araka ny nandidiany antsika hanao izany matetika ho fahatsiarovana azy sy ho fahatsiarovana ny Paka, fa tsy hoe mandeha fahazarana na "routine" fotsiny isika mamonjy lamesa na manao ireny fankalazana ireny. Izany no anisan’ny olana lehibe amin’ireny fotoana hikatonan’ny fiangonana, tsy ahafahantsika mivavaka ireny. Vao mainka isika voageja ka ny ratsy no mahazo aina. Manafaka antsika amin’ny fahotana sy ny ratsy rehetra ary ny fahafatesana ny vatana aman-dràn’i Kristy. Ny katesizy moa dia mampianatra antsika fa ny fandraisantsika komonio dia manalefaka ny filan-dratsin’ny nofontsika.

Io fahatsiarovana ny Paka io koa dia manambara amintsika fa fanasana lehibe ho antsika ny Eokaristia : i Kristy no mpanasa ary efa fantany mialoha izay rehetra ataony amintsika amin’izany fanasana izany, toy ny nanirahany ny mpianany mialoha teo. Isika no hasaina ary fanasana lehibe no hiantsoany antsika. Miantso antsika isan’andro hifantoka amin’izany fanasany izany àry i Kristy ao amin’ny Eokaristia ka hiomanantsika handray ny fahasoavana rehetra vokatr’izany fanasana izany sy ny famonjena aterany amin’ny alalan’ny fiezahantsika hanadio ny fontsika sy ny fiainantsika manontolo mihitsy ka hidirany ao amin’ny fiainantsika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...