Zoma 4 jona 2021 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 35-37

Anisan’ny fanontaniana fototra tokony hapetraky ny kristianina tsirairay amin'ny tenany isan’andro ny hoe : "Iza tokoa moa i Jesoa ho ahy ?". Ataoko fa tsy isalasalana ny valin-teny iombonana amin'ny maha kristianina antsika fa sady tena Andriamanitra i Jesoa no tena olombelona ihany koa. Ny Soratra Masina manontolo no manampy antsika hahatakatra izany misterin’i Kristy izany, eo ambanin’ny fanilovan’ny Fanahy Masina.

Voalohany dia tena Andriamanitra tokoa Izy satria olona faharoa ao amin'ny Trinite Masina. Andriamanitra no Rainy satria Izy ihany no niantso hoe Raiko ; ary zanaka Izy satria hoy Andriamanitra hoe : "Inty no Zanako malalako". Efa nisy talohan’ny taona rehetra Izy satria niara-nanjaka amin'ny Andriamanitra tamin'ny fahariana izao tontolo izao, izay hita ao amin'ny Jenezy 1, 26 : "Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika…"

Ry Havana, ny antony nahatongavany tety an-tany moa dia ny mba hamita ny iraka nampanaovin’i Ray Azy, dia ny hanavotra antsika olombelona. Ka tamin'ny alalan’ny misterin’ny fahatongavana ho nofo no hamerenany indray ny toetra maha zanak’Andriamanitra antsika. Ary i Masindahy Athanase dia efa nanambara mazava fa : "Tonga nofo ny zanak’Andriamanitra mba hahatonga ny zanak’olombelona ho zanak’Andriamanitra".

Faharoa dia tena olombelona ihany koa i Jesoa satria nanana ny loharano nipoirana sy ny fototra niaviana amin'ny maha olombelona. Taranak’i Davida Izy. Tsy kisendrasendra fa fandaharan’Andriamanitra tsotra izao, araka ny efa nambaran’Andriamanitra tamin'ny Davida ihany ao amin'ny Jeremia Mpaminany 23, 5 : "Ao amin'ny taranany no hananganan’Andriamanitra ny solofo marina".

Amin’izao andro zoma voalohany volan’ny Fo Masin’i Jesoa izao dia enga anie ilay Fon’i Jesoa loharanom-pitiavana, hajaina sy omem-boninahitra, hanampy antsika hitia ny olona tsy ankanavaka. Koa misokafa re ry Fo Masina, mba hidirako sy honenako fa Ianao no Rovako. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 20 septambra 2024

♦ Avy amin'ny Hazofijaliana no ahatsapantsika ny fitiavan'Andriamanitra izay mitondra hafaliana ho antsika ka zaraintsika amin'ny hafa, io no nivoitra tamin'ny fankalazana ny fanandratana ny Hazofijaliana sy nanamarihana ny faha-60 taona naha relijiozy an'i Sr Délphine Marcelle Razanamiadana, avy amin'ny fikambanana Sœurs Notre-Dame du Cénacle... ♦ Eglizy Misiônera velomin'ny finoana, nahitana taratra ny firahalahiana sy ny fangorahana, io no tsapan'ny Papa François tamin'ny fitsidihana apôstôlika nataony tany Azia sy Oseania...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...