Alatsinainy 31 mey 2021 — Ny Famangian'i Masina Maria — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56

Tena tanteraka ara-bakiteny ilay ohabolan-drazantsika hoe izay mahavangivangy tian-kavana ary ny havan-tiana tsy mahalavi-tany. Fihaonan’ny mpirahavavy satria renim-pianakaviana roa samy manana ny maha izy azy no mifanatona. Fihaonana miteraka hafaliana. Mifanalavitra toeram-ponenana anefa ampifanakakaizan’ny fo feno fitiavana. Ny anton-dian’i Maria moa dia tsy vitan’ny hamangy fotsiny ihany fa voalaza fa telo volana teo ho eo no niara-nipetraka izy roa mba hampifàna ny rahavaviny. Araka izany dia tsy handeha hanao ratsy akory no nivoahana ny trano fa handeha hanao soa mba hifanampy sy hifanohana.

Ry havana, reny roa samy manana ny maha izy azy ireto reny be voninahitra ireto teo amin'ny tantaram-pamonjena an’izao tontolo izao. Tamin'ny famangian’i Maria no indro niseho lany ny maha Renin’Andriamanitra Azy, "fa raha vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy dia nientana ny zaza tao ankibony ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta ka nanandra-peo hoe : Avy aiza amiko izao no mba vangian’ny Renin’ny Tompo aho ?... Sambatra ilay mino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy" (Lk 1, 41-45). Ny famangiana nataon’i Maria an’i Elizabeta dia sarintsarin’ny famangian’Andriamanitra antsika olombelona amin'ny alalan’ny zaza aterany.

Omeo hery izahay mba tsy ho very, arovy koa izahay ho tody soa. Ry Maria ô, mba tantano ny dianay, arovy re, fa zanakao zahay. Ampio re, mbola lavitra ny dia. Ry Maria ô, Reny mamy be fitia. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...