Talata 25 mey 2021 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 28-31

Rehefa vita batemy isika dia miombona aina tanteraka amin’i Jesoa Kristy : mametraka Azy ho ivon’ny fiainana manontolo, eny hatramin’ny famoizana ny zavatra rehetra. Ny apôstôly no niaina izany voalohany. Mety ho lasa an’eritreritra ihany anefa isika, tahaka azy ireo, maka toky ny amin’izay vokatry ny fandaozana ny zavatra rehetra izay. Na dia tsy mivantana aza ny nilazan’i Piera an’izany tamin’i Jesoa : "Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao", dia mety hiloa-bava hoe : dia inona no antoka amin’izany ? Notsorin’i Jesoa mazava fa izay mahafoy ny zavatra rehetra noho ny fitiavana Azy sy ny Evanjely, dia tsy ho maty antoka na oviana na oviana fa hahazo zato heny amin’ity fiainana ity. Izany hoe, ny fanokanantsika ny fiainantsika manontolo hitondra sy hanambara an’i Jesoa Kristy Vaovao Mahafaly amin’ny olon-drehetra manodidina antsika, dia harena ho antsika satria ahafahantsika mampitombo isa ny mpino sy mpanara-dia an’i Kristy, na dia eo aza ny mety ho fanenjehana amin’ny endriny rehetra, amin’ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny fitiavan’i Kristy amin’ny sehatra rehetra misy antsika. Fampanantenana avy amin’i Jesoa Kristy izany ho an’ny fiainantsika ety ambonin’ny tany.

Fa ambonin’izany, ary fampanantenana sarobidy indrindra, dia ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy. Tanjona itodihantsika ny fiainana mandrakizay, hitoetra eo ankavanan’Andriamanitra any amin’ny Fanjakany rahatrizay. Tsy mbola nandiso fanantenana, tsy mandiso ary tsy handiso fanantenana antsika na oviana na oviana i Jesoa Kristy. Fa mila matoky azy tanteraka kosa isika, ka tsy hiroaroa saina rehefa mino sy manaraka Azy. Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...